airtel

Sport

14-juin-2021

Sport

Kianja BAREA Mahazaka mpijery 40 000

Sample post image

Efa vita hatrany amin’ny 90% ny asa fanamboarana ny kianjan’i Barea Mahamasina,

14-juin-2021

 

 

 izay manaraka ny fenitra takian’ny FIFA. Mahazaka mpijery hatrany amin’ny 40.000 isa ity kianja ity raha antsasak’izany teo aloha. Mizara roa miavaka tsara ny kianja. Misy ny zone A izay ahitana efitrano natokana ho an’ireo manam-pahefana, ny mpanao gazety….. eny amin’ny tribune. Ho an’ny zone B kosa dia natokana ho an’ny gradin rano fotsiny natao ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ahitana seza ho an’ireo olona manana fahasembanana miisa 90 ao anatin’ny kianja ho fanomezan-danja azy ireny. Misy ihany koa ny lalana hahafahan’ny mpamonjy voina miditra raha sanatria ka misy loza mitranga, fenitra izay takian’ny FIFA ihany koa. Mahatratra 6 moa ny vavahady fidirana ao amin’ity kianjaben’i Barea ity. Ny Sabotsy lasa teo no noraisina vonjy maika ny kianja natrehin’ny mpanolontsaina manokan’ny Filoham-pirenena Atoa Gerard Andriamanohisoa. Tsara ho marihana fa manana milina mpamokatra herinaratra manokana ho azy ny kianja Barea

Pati ‘

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap