airtel

Sport

12-août-2024

Kianja Barea

Mandray fampiofanana nefa tsy nahazo fankatoavana

Sample post image

Sary hafa kely indray no niseho tetsy Mahamasina ny 6 ka hatramin'ny 8 aogositra teo.

12-août-2024

Na dia tsy nahazo fankatoavana tamin'ny CAF aza ity Kianja Barea ity dia tsy nanakana ny handraisana ny fampiofanana mikasika ny fitandrovana ny filaminana amin'itony kianja itony izany. Nahatratra 40 ireo mpiofana ary ankoatra ireo olon-tsotra miandaikitra indrindra ny fitandrovana ny filaminana dia nahitana koa ireo Polisy sy Zandary.Teknisiana avy amin'ny CAF no nizara traikefa tamin'ireo mpiofana ka nahitana an'i Ferguson Abd Ei Hafid, Sene Aboubacar ary i Steinberg Katharina. Ny fanontanina tokony napetraka aloha dia ny hoe inona no tokony hatao maika mba ahazoana fankatoavana satria raha izao no mitohy dia mety tsy hisy klioba intsony handray anjara amin'ny fifaninanana eto Afrika satria lasa mandoa in-droa noho ny tsy fisian'ny kianja handraisana ireo lalao. Raha ny Elgeco izay heverina fa mpanefoefo aza voatery mijanona any Luanda no handray ny lalao nohony antony ara-bola dia iza indray no sahy hidi-kizo eo ?
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Miverina indray ao anatin’ny fifaninanan’ny Pro League Belge i Marco Ilaimaharitra.

Card image cap
19-juin-2025

Ny Kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara mbola tsy misy fankatoavana hatramin’izao,

Card image cap