airtel

Sport

27-nov-2023

Kianja Barea

Mbola mila fankatoavana

Sample post image

Loza mitatao raha tsy mihetsika dieny izao ny Fanjakana malagasy mamerina amin'ny laoniny ny Kianja Barea.

27-nov-2023

Miisa 14 ireo zavatra takian'ny CAF raha te hahazo fankatoavana indray io kianja io, fa rehefa tsy izany dia voatery mandray ny lalao any an-tanin'olona toa an'i Tchad teo indray i Madagasikara. Ny haingana indrindra izao dia ny lalao hihaonana amin'ny Comores. Nefa raha tsy vita ireo zavatra takiany dia mety any any amin'ny toerana hafa no handraisana an'i Comores. Ny hany fantatra aloha satria tena tsy misy filazana avy any amin'ny FMF, dia ny tsy maintsy hanavaozana ny bozaka izay simba taorian'ny nandraisana ny Lalaon'ny Nosy. Tsy nisy fiarovana natao amin'izany fa dia teo no nanosihosy izay bodo sy adala. Raha handray ohatra akaiky anefa dia ny Lalao Olimpika 1992 tany Barcelone ary ny tany Sydney 2000 izay nahitana fa misarona ny bozaka ary tsy voahitsaka nandritry ny lanonam-panokafana. Izay no fanao fa ny mahagaga dia efa atleta tany Aostralia i Rosa Rakotozafy izay Tale Mpanantanteraka ny Lalaon'ny Nosy farany teo fa toa tsy mba nandray lesona. Ny loza aza dia mbola namono olona koa teo am-pidirana ka inoana fa tsy maintsy ao anaty fitakian'ny CAF ihany koa ny fampitomboana ny vavahady fidirana. Ny zava-misy dia tsy ho zakan'ny Malagasy izany hoe tsy handray lalao eto an-tanana ny Barea.Hinoana marimarina anefa raha tonga ny tokoa ka milaza tsy manambola ny fanjakana malagasy dia tsy maintsy hamoaka am-paosy ny filoha Alfred Randriamanampisoa satria kianja ho azy irery aza vitany saingy mampalahelo fotsiny fa tsy azo handraisana lalao iraisam-pirenena izany noho izy voarakotra bozaka tsy voajanahary.Ka raha izay hanampy vavarana sy hanova bozaka ve tsy ho vitany. Alefa Prezida !
Clément RABARY

 


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap