airtel

Sport

01-déc-2021

Sport

Kianja Barea Tsy vita ny 7,99%-n’ny asa nifanarahana

Sample post image

Nifarana omaly 30 novambra 2021 ny fe-potoana fifanarahana eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa Sinoa amin'ny fanamboarana ny kianja Barea.

01-déc-2021

 Milaza ny Fajakana fa ny 7,99% ny asa no tsy vita tahaka ny fampihaingona ny "gradin" sy ny fanajariana ny ivelan'ny kianja, izay mitentina 6 tapitrisa dolara mahery kely eo ny vola aloa aorinan'ny fahavitan'ny asa. Nambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toera-ponenana Atoa Andriamanohisoa Gérard, fa misy ny antoka herintaona ny asa vita, ka mbola anjaran'ny orinasa Sinoa avokoa ny manarina izay rehetra mety tsy ho fahatomombanana mandritra izany. Nomarihina fa amin'ny mahatompon'asa ny fanjakana Malagasy, ny ministeran'ny fiarovana, dia izay drafitra nampanaovina ny Sinoa no tanterahiny, fa tsy anjarany izay mety fahadisoana na tsy fahampiana teo ampanaovana ny fandinihina ny asa. Efa nilaza rahateo ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toera-ponenana, fa tsy miditra amin’izay fatiantoky ny Sinoa any ny Fanjakana fa ny fifanarahana ihany no fantany. Izay tsy mifanaraka amin'izay asa nampanaovina izay ihany no andraikitry ny orinasa Sinoa nanatanteraka ny baikon'asa, ka ny orinasa mpanara-maso nanankinana ny fanatontosana ny bokin'andraikitra no anisan'ny tompon'antoka miaraka amin'ny tompon'ny asa raha misy olana toy ireny dobon-drano ireny. Tsiahivina moa fa tao anatin’ny taratasy fitakian-trosa nataon’ny orinasa CSCOD (China Construction Overseas Development Madagascar), dia nilaza izy ireo fa misy ampaham-bola mitentina 17.321.614,90 dolara mbola tsy voaloa. Nanitrikitrika kosa ny Fanjakana fa 6 tapitrisa dolara mahery kely teti-bidin’io 7,99% tsy vita io sisa ananan’ny orinasa amin’izy ireo. Io nambara fa tsy vita araka ny fifanarahana io anefa ka asa izay hiafarany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Niovaka ny didy tsy azo hivalozana fa tsy mahazo handraisana lalao intsony ny Kianja Barea.

Card image cap
15-avril-2024

Tsy niova ny filaharana taorianan'ny andro fahafito ny Pure Play Football League.

Card image cap
12-avril-2024

Mitory ny UBM Ambohitrimanjaka ny Amicale Bouliste Mandrosoa Ivato ary milaza fa tsy ara-dalana ny taratasy

Card image cap