Nanomboka ny sabotsy 19 novambra teo ary tsy hifarana raha tsy ny volana jona 2023 indray moa ny taom-pilalaovan’ny OPL izay fifaninanana eo amin’ny taranja baolina kitra ho an'ireo klioba matihanina eto Madagasikara ity. Nanome toky tamin'ny alalan'ny mpitondra tenin'ny filoham-pirenena, Ranoromaro Lova Hasinirina, ny fitondram-panjakana fa handray an-tanana ny fandanian'ireo klioba izay tafavoaka amin'ity fifaninanana ity ka hisolotena an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra afrikanina. Vahana ny olana eo amin'ny resaka kianja. Hatolotra hilalaovana ireo kianja manara-penitra efa vita. Hitondra fanarenana ny kianja Rabemananjara Mahajanga ny fitondram-panjakana ary tombanana ho vita ny ny fiandohan’ny taona 2023 izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana.
J. Mirija
Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,