airtel

Sport

24-janv-2024

Kitra_Amboaran'i Madagasikara

Manao be fandroaka ny CFFA

Sample post image

Mafy ny ady ho an'Andoharanofotsy taorianan'ny faharesena nandritry ny

24-janv-2024

Grand Tournoi Analamanga nanoloana ny US Pro. May volo-tratra i Titi Rasoanaivo ka dia nisafidy ny haka mpilalao maromaro. Voalohany amin'izany ireo roalahy avy amin'ny Ajesaia dia Ravaka sy Urgino. Mbola nalainy koa i Lalane USCAFOOT sy Mbola Dato FC ary Éliot izay mpilalaon'ny Zanakala no nifindra tao amin'ny Elgeco dia izao lasan'i Tôta izao. Ho hita eo no hataon'ireto CFFA ireto rahampitso mandritra ny lalao manasa-dalana voalohany hihaonany amin'ny AS Fanalamanga manomboka amin'ny 11 ora. Mbola tsy maintsy hanamboatra ny fahaizana miaraka i Titi Rasoanaivo ary tsy maintsy mameno ny banga any aloha nilaozan'i Tsito any Saint Denis sy Carlos lasan'ny Fosa Juniors. Ny lalao faharoa no ahitana ny fihaonana eo amin'ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC. Raha naka an'i Jean Yves tany amin'ny Fosa Juniors ny olon'i Alfred Randriamanampisoa dia mba naka an'i Rado tany koa ny Disciples hanampy ny fiarovan-tenany. Manana tombony anefa ny avy any Betafo satria efa niaraka taminy elaela ireo mpilalao vaovao toa an'i Ludovic sy Nantenaina Messi izay efa tena mafana fantsy azo ampiadiana tsara. Tsy hipetra-potsiny koa anefa i Jean Yves fa tsy maintsy hanao izay ho afany mba handresy lahatra an'ny tompom-baolina satria fantatra fa ankoatra ny Barea dia ny hiampita ranomasina ny tanjony.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap