airtel

Sport

22-janv-2024

kitra- Amboaran'i Madagasikara

Nihintsana ny Fosa Juniors

Sample post image

Raraka ny Fosa Juniors teo amin'ny ampahaefa-dalan'ny fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara baolina kitra.

22-janv-2024

Resin'ny CFFA teo amin'ny fitifirana penalty ry Dax sy ny namany. Nisaraka 0 noho 0 mantsy ny roa tonta taorinan'ny 120 minitra. Vao tsy nahafaty ny daka voalohany i Donga dia nivaralila ny iray trano ary dia nandresy 3 noho 1 Andoharanofotsy satria tsy nodakana intsony ny tifitra fanindiminy. Efa nampoizina kosa ireo lalao telo hafa. Tena nopotehan'ny AS Fanalamanga ny ASA Nosy Be. Vizana noho ny lalana satria ny talata vao vita ny antsapaka ary ny sabotsy no fihaonana amin'ny Moramanga. Raha niala tany Nosy Be ny alarobia izany dia alakamisy vao tonga taty Antananarivo. Mbola tsy afa-bela amin'ny Disciples kosa ny Ajesaia fa resiny 1 noho 0. Baolina matin'i Mando (33).Tena tsara ny Disciples ary efa manana ireo mpiandry toerana azo ampiadiana tsara.Tena ampiasain'i Mamisoa Razafindrakoto ihany koa ny manolo ny mpilalao dimy hany ka sahirana ny rehetra .Ankoatra an'i Tantely kapiteny sy Andy izay samy Barea, dia i Mbola mpiandry tsatokazo sy Kante ary Mando ary Joma Kely no tsy misolo fa mihodina ny rehetra ka sarotra ho an'ny mpifanandrina aminy no mametraka paikady. Ny lalao farany dia nahitana ny fandresen'ny Elgeco Plus ny Mama tamin'ny isa tokana matin'i Jean Yves ilay Fosa taloha nefa mbola tsy fantatra raha ho voatazon'ny Elgeco Plus na handeha ho any La Réunion toa an'i Tsiry koa. Raha ny fandaharam-potoana moa dia ny Fanalamanga no hihaona amin'ny CFFA ary ny Elgeco Plus kosa hifandona amin'ny Disciples FC.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap