Tany amin'ny minitra faha-86 ny baolina tokana matin'i Bertho tamin'ny penalty. Niady ny lalao na dia tsy dia avo lenta aza satria adin'ireo tsy voantso tany amin'ny Barea. Ary saika nandresy aza i Toamasina satria dia niantehitra tamin'ireo mpilalaon'ny Fanalamanga i Alison Jean mpanazatra. I Titi Rasoanaivo kosa no nitazona an'Analamanga ary tsy naka sarotra izy fa natambany ny CFFA sy Disciples dia nataony mpiandry tsatokazo i Manda mpilakaon'ny Ajesaia.Raha ivelan'ny fotoana hilalaovan'ny Barea angamba ity Amboaran'ny Filoha ity dia tena niady ohatry ny baolina toa an'i Mahajanga izay tsy nanan-kalahatra intsony. Volabe kosa anefa no nozaraina satria raha 20 tapitrisa no azon'ny Analamanga dia 10 tapitrisa ariary kosa ny any Toamasina. Clément RABARY
Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,