airtel

Sport

18-sept-2026

Kitra - Barea

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

Sample post image

Nivoakan'ny Federasiona Malagasy

18-sept-2026

ny Baolina kitra ny lisitr'ireo mpilalao nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy A amin'ny baolina kitra na Barea hiatrika ny lalao hihaonana amin'i Nizeria sy Tanzania, tafiditra amin'ny fifanintsanam-bondrona hahazoana tapakila hiatrehana ny CAN 2027. Betsaka ny fanehoan-kevitry mpankafy ny taranja sy ireo mpanohana ny Barea, momba ireo mpilalao efa nandrafitra ny Barea nefa tsy maharesy lahatra ny mbola niantsoana azy, ao koa ireo noheverina ho namiratra nefa tsy voarakitra anaty lisitra toa ireo mpanafika isany Njiva, Fenohasina, ilay irakiraka afovoany Lalaina, vodilaharana Louis Demoleon, ilay mpiandry harato Sonny Laiton... Nanao ranty manokana amin'ny teny frantsay ho an'ity farany i Lalaina Nomenjanahary na Bôlida, mpilalao tao amin'ny Barea niatrika voalohany ny CAN tamin'ny 2019 tany Alzeria. Hoy indrindra izy amin'ny dika teny malalaka : "Ry rahalahiko Sonny Laiton, Hatramin'ny fotoana voalohany niresahantsika momba ny fidiranao ao amin'ny ekipam-pirenena, dia efa naneho avy hatrany tamiko ny fanirianao hanao io akanjo io ianao. Tena reharehanao koa ny voantso tao amin'ny ekipam-pirenena Malagasy. Aza kivy. Mbola tanora ianao ary mbola betsaka ny zavatra hotratrarinao. Tsy mifarana eto ny dia miaraka amin'ny ekipam-pirenena. Tohizo hatrany ny ezaka, matokia tena, ary omeo ny fara-herinao. Mahereza ry rahalahy—mitohy ny dia !". "Alefa Barea, tanjona ny CAN 2027", hoy i Bôlida namarana ny fanehoan-keviny. Tetsy ankilany koa i Sonny Laiton dia naneho ny heviny ka nilaza amin'ny dika teny malalaka fa : "Tsy misy zavatra havelantsika na hialantsika. Tsy hihemotra isika. Hiverina aho ry vahoaka Malagasy na ho ela na ho haingana. Aoka isika hanam-paharetana. Manohana amin'ny fo manontolo ho an'ny firenentsika isika mba handresena amin'ireo lalao ireo". Tsiahivina fa hatao ny 25 Septambra 2026 ao amin'ny kianja Godswill Akpabio International Stadium any Uyo, Nizeria ny lalao hifandonan'i Nizeria amin'i Madagasikara. Any amin'ny Stade d'honneur de Meknès any Maroc indray kosa i Madagasikara no handray an'i Tanzania amin'ny 29 Septambra 2026 noho tsy mbola fahafahan'ny Kianja Mahamasina mandray lalao iraisam-pirenena.
Jean D.


Sonny Laiton sy Lalaina Nomenjanahary
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

Marary i Maitre Kira, kintan’ny

Card image cap
18-sept-2026

Fandresena iray ary faharesena 3,

Card image cap