airtel

Sport

26-sept-2023

Kitra-Cosafa women cup

Ho any Johannesburg ny mpilalao Malagasy

Sample post image

Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana

26-sept-2023

vaovao, dia heno izay fa handray anjara any amin'ny Cosafa women cup atsy Afrika Atsimo isika Malagasy. Efa miomana eny Carion ireo mpilalao 23 voafidy. I Théodore Beatrice no notendrena ho mpanazatra ary ny 1 oktobra izao no hihazo an'i Johannesburg ny ekipa. Ny fifaninana moa dia hanomboka ny 4 oktobra ary tsy hifarana raha tsy ny 15 oktobra. Fa araka ny mahazatra dia tonga dia mangoron-damba ireo tsy mivoaka ny vondrona. Ao amin'ny vondrona A no misy ny Malagasy ary miaraka amin'ny Afrika Atsimo, Eswatini ary Malawi.I Afrika Atsimo ihany no tena taolana fa tokony ho afaka isika indrindra raha nitazona ny tena mahay fa tsy manao ptopagandy hoe asiana avy any amin'ny ligy rehetra. Ny zava-misy mantsy dia efa niova ireo heverina ho sangany sady tsy afaka hztramin'izay matoa lasa tompondaka ny Disciples avy any Betafo.Tokony ireo Disciples ireo izany no betsaka fa rehefa tsy izay dia mbola mety ataon'ny olona lalana toy ny mahazatra indray tamin'ny andron'i Malama izay nanome vahana ny mpilalaon'ny Sabotsy Namehana.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

06-déc-2023

Fahatelo teo amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika ny Ankoay lahy sy vavy.

Card image cap
06-déc-2023

Ny avo lenta avo lenta ihany. Vao nanomboka tokoa mantsy ny Grand Slam Tokyo

Card image cap