Vaovao ara-panatanjahantena nisongadina eran-tany teo ny faran’ny herinandro lasa teo ny lalao famaranan’ny Supercoupe d’Espagne ny alin’ny alahady 11 janoary 2026. Nivoaka mpandresy 3-2 ny FC Barcelone nanoloana ny Real Madrid, ka nobatain’ny Blugrana indray izany ity amboara ity izay efa izy ireo ihany no nahazo azy tamin’ny taon-dasa, izay nandresen’izy ireo 5-2 ny Real Madrid ihany tamin’ny famaranana, raha tsiahivina. Nanatombo tamin’ny tamin’ny fifehezana ny lalao ry Lamine Yamal izay nitana ny 71% tamin’ny fifehezana ny baolina raha 29% kosa ny an-dry Kylian Mbappé sy ny ekipany izay efa minitra faramparany ity farany vao nampidirina. Vokatr’io faraheresena io sy ny tsy fahombiazana tamin’ny ankampobeny, Nesorina sy niala tsy ho mpanazatra ny Real Madrid i Xabi Alonso. Ity farany izay nanomboka nanazatra ny Real Madrid tamin’ny 1 Jona 2025, taorian’ny fanalana an’i Carlo Ancelotti. Ny fanendrena azy ho mpanazatra dia natao ho an’ny fe-potoana 2025–2028, saingy tapaka aloha noho ny vokatra tsy nahafa-po. Eo amin’ny Liga dia very toerana 4 aorian’i Barcelone (49-45) taorian’ny fahavitan’ny andro faha-19. Tsiahivina fa mpilalao isan’ny nanana ny naha izy azy tao amin’ny Real Madrid fahiny i Xabi Aloson, nanao lalao 236 ho an’i Real Madrid tamin’ny maha-mpilalao azy (2009–2014). Nahazo amboara lehibe maro, ka anisan’izany ny La Décima dia ny trophy Champions League faha-10). Efa nilalao tany amin’ny Liverpool sy ny maro hafa. Nanazatra ny Bayer Leverkusen izay efa nibatany ny tompondakan’ny Bundesliga ka naharesy lahatra ny Real Madrid haka azy ho mpanazatra, saingy izao nifarana izao. Tsy niandry ela fa i Alvaro Arbeloa mpilalaony fahiny, ary mpazatra ny Real Madrid Youth Academy no voatendry hitondra ny ekipa zokiny.
Toky R