airtel

Sport

17-sept-2021

Sport

Kitra, filaharan’ny FIFA Very toerana telo ny Barea

Sample post image

Very toerana miisa 3 ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny filaharana maneran-tany eo amin’ny sehatry ny baolina kitra. Navoakan’ny FIFA omaly alakamisy izany,

17-sept-2021

 ka lasa eo amin’ny laharana faha-100 maneran-tany isika, raha toa ka faha-97 tamin’ny filaharana teo aloha, izay mivoaka isam-bolana moa io. Ny faharesena in-droa nisesy nanoloana an’i Bénin sy Tanzanie ny 2 sy 7 septambra lasa teo tafiditra amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial 2022” no heverina fa nampihemotra ny filaharantsika. Manana isa 1211,19 isika amin’izao fotoana izao. Ny volana oktobra izao, dia hifandona in-droa misesy amin’ny Lepoards ekipam-pirenen’i RD Congo laharana faha-66 maneran-tany isika. Mikorontana tanteraka ny kitra Malagasy amin’izao fotoana izao noho ny savorovoro ara-pitantanana, fitsabahana ara-politika, leesoka ara-teknika,… izay mila haravona sy harenina haingana raha tiana ny hahazo vokatra. Maneran-tany, mitazona ny laharana voalohany hatrany I Belgique, izay manana isa 1832, faharoa tsy nihetsika I Brésil manana isa 1811, niakatra fahatelo I Angleterre manana isa 1755, nihemotra ho faha-4 ny Frantsay manana isa 1754, fahadimy Italie izay nibata ny “Euro 2020” farany teo, faha-6 I Argentine izay nahazo ny “Copa America”.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap