airtel

Sport

18-mars-2024

Kitra_Ligue 2 Frantsay

Namono baolina i Rayan, manakaiky ny Ligue 1 ny Auxerrois

Sample post image

Mizotra hatrany makany amin'ny fiakarana ho ao anatin'ny Ligue 1

18-mars-2024

ny lalan'ny AJ Auxerre misy an'ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson hatreto. Rehefa tsy nahita fandresena fa nionona tamin'ny ady sahala tao anatin'ireo lalao roa na telo teo, dia rava indray aloha izany, ka nivoaka mpandresy 2-1 nanoloana an'i Caen izy ireo ny sabotsy alina teo, tao amin'ny kianja Didier Deschamps ao an-jaridainany. Ny vahiny no nampiditra ny isa teo amin'ny minitra faha-16, ary tany amin'ny minitra faha-76 vao sahalan'i Rayan Raveloson tamin'ny alalan'ny "coup de tête" tsara dia tsara, tolotra avy amin'ilay vodilaharana Paul Joly. Baolina fahatelo matin'i Rayan tato anatin'ny taom-pilalaovana io. Efa tany amin'ny faha-82 minitra ny baolina faharoa satria mbola nahavita tolotra faharoa tsara dia tsara indray i Paul Joly, ka matin'ilay Breziliana Jubal kapitenin'ny AJ Auxerre. Mitarika hatrany amin'ny filaharan'ny Ligue 2 ny Auxerrois hatreto amin'ny alalan'ny isa 55, ary nitombo ny elanelana eo aminy sy ny Angers SCO faharoa satria resin'ny Amiens tamin'ny isa 3-1 tao an-tananany tao amin'i kianja Raymond Copa ny andaniny, ka mijanona amin'ny isa 50.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap