airtel

Sport

19-mars-2021

Sport

Kitra Malagasy sy Afrikanina Tazanim-potsiny ve ny famotehina an-kolaka azy ?

Sample post image

Velom-panontaniana ankehitriny ny mpanara-baovaon’ny baolina kitra afrikanina,

19-mars-2021

 

 indrindra ny kitra Malagasy, mikasika izay mba hetsika ataon’ingahy Patrice Motsepe, filohan’ny kaonfederasionina afrikanina vaovao, manoloana ity fanakanana ireo mpilalao iraisam-pirenena afrikanina tsy hivoaka ny klioba misy azy ireo ity. Saika voakasika izany avokoa ireo mpilalao any Eoropa, indrindra moa fa ny ao Frantsa. Lazaina fa antony tsy hamelana ireo mpilalao hamonjy ny ekipam-pireneny amin’ny ankapobeny ny resaka valanaretina Covid 19. Mizotra tsara ara-potoana ankehitriny ny lalao iraisam-pirenena ao Eoropa ary hatreto aloha dia tsy dia ahenoana izay fanakanana izay loatra ireo mpilalao eoropeanina mila mamonjy ny ekipam-pirenen’izy ireo. Tsy afaka manao hetsika manoloana izao famotehana an-kolaka ny kitra Malagasy sy Afrikanina izao ve ny filohan’ny CAF vaovao fa dia tazanim-potsiny toy ny tany nahalavoana hatrany ny zava-misy? Tsiahivina fa isan’ny adihevitra be nampifanolana ny filohan’ny CAF teo aloha, ilay Malagasy, Ahmad Ahmad, sy ny teo anivon’ny federasionina iraisam-pirenena na FIFA ny fikasan’ity farany hanova ny tompondakan’I Afrika na CAN ho isaky ny 5 taona. Rehefa tsy nekena izany io dia izao potehina an-kolaka sy tazanim-potsiny izao indray ny kitra aty Afrika.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap