tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Kitra - Radio Fahazavana Toamasina Resin’ny Mpitandrina ireo solontenam-panjakana

Fahombiazana ny fankalazana ny faha-15 taonan' ny Radio Fahazavana ao Toamasina.

13-mars-2023

Sample post image

Nisy ny lalao ara-pirahalahiana baolina kitra natao tao amin’ny Stadium Barikadimy ny Sabotsy 11 Martsa nanamarihana izany. Ny Diakona nandrombaka ny fandresena 2 no ho 1 teo anatrehan'ny ekipan'ny Loholona. Nafana dia nafana koa taorian'izay ny lalao nifanandrinan’ny ekipan'ny Mpitandrina notarihin'ny prezida Synodaly sy ireo solontenam-panjakana notarihan'ny Prefen’i Toamasina Ambinintsoa Jean José. Ady sahala 1 no 1 no nisarahan’ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana ara-dalana ka niroso tamin’ny “tir au but”. Nivoaka ho mpandresy 3 noho 2 tamin’izany ny ekipan'ny Mpitandrina. Teny fanevan'ny fankalazana ny hoe : “Ezaho ny fiantsonao fa aza atao malemy” Isaia 58:Ia. Tamin’ny ankapobeny dia nilamina ny hetsika notantanan’ny Komity mpanomana notarihin'ny maître Rasamimaka Mahefalahy.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus