raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Izany hoe raha atao ny kajikajy tsotsotra manoloana ny fivoaran’ny sandan’ny vola malagasy na Ariary ankehitriny dia handray manodidina ny 37.600.000 Ariary isam-bolana izany ity lohalaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea milalao atsy amin’ny Mouloudia Club atsy Alger, Alzeria ity. Raha tombonana ho manodidina ny 4700 Ariary eo izany izao ny vola eoropeanina dia ny euro. 1.253.333 Ariary isan’andro eo izany no karaman-dRakool. 52.222 Ariary isan’ora. 870 Ariary isa-minitra. Azo lazaina ho risika ho an’ireo zandrikely maniry hoavy tsaratsara eto amin’ny tanana izany ary ny hirariana dia ny hoe mba hisiana klioba malagasy hahavita manome sanda toy izany ho an’ireo boay kely miezaka eto koa atsy ho atsy. Maninona tokoa moa ?
J. Mirija
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.