raha ny vaovao navokan'ny gazety Planet sport, izay ao an-toerana omaly. Tapitra ny 6 septambra teo ny fifanarahana teo amin-dRakool sy ity klioba ity, raha ny voatatitra. Tsiahivina fa ny 30 janoary teo no raikitra ny fifanarahana teo amin-dRakool sy ity klioba ity ka nanaovana ny famindrana na “transfert” teo amin’ny kliobany teto Madagasikara dia ny CFFA tamin’ny Mouloudia. Hatrany am-piandohana no efa nasiaka dia nasiaka ny tsikeran’ireo mpankafy MCA ity lohalaharana malagasy ity. Niezaka ny ho nanam-paharetana taminy hatrany ny mpanazatra dia ilay tekinisianina frantsay, Patrick Bommel, ary azo lazaina ho nijoro ho mpiaro azy hatrany mihitsy moa raha nilaza fa isan’ny tena olana fototra ny tsy fahazoan’ity teratany malagasy ity ny toromarika omena azy. Indrisy izany angamba fa dia tratran’ny be no ho vitsy izy mirahalahy. Ny 21 may i Rakool no namono ny baolina voalohany ho azy teo anivon’ny klioba, izany hoe 2 volana latsaka kely taorian’ny nidirany tao amin’ny MCA ary iny ihany koa no baolina matiny, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny klioba hatramin’ny 6 septambra teo, izay namaranana ny fifanarahana taminy na dia mbola tokony haharitra hatramin’ny taona 2026 aza izany. Tsy vao i Rakool no tratry ny olana mitovitovy amin’izao, raha tsiahivina, na dia samy mpilalao malagasy manana ny talenta sy tokony ho lasa lavitra aza fa isan’ny saika nahita faisana koa, ohatra, ilay lohalaharana, Arnaud Randrianantenaina, izay mandia ny faha 22 taonany ankehitriny, sy i Berajo na Rajo Razafindrabe, izay vodilaharan’ny Jet Kintana vao nahazo fifanarahana hilalao ho any St Denis, La Réunion farany teo, raha toa ka samy nampanaovina andrana tany Grenoble, Frantsa. Azo lazaina ho afa-doza ireto roa farany ireto satria i Arnaud izany amin’izao fotoana izao dia milalao ao amin’ny El Gouna, divizionina voalohany ao Egipta. Berajo kosa ao amin’ny Saint Denis F.C, La Reunion. Matetika mamerimberina moa ireo tekinisianin’ny baolina kitra fa taratry ny lesoka goavana dia ny tsy fahampian’ny fiofanana sy tan-tsoroka ho an’ireo mpilalao avy eto an-toerana hatrany ny tranga toy izao mahazo an’i Rakool izao. Mirary soa ho an’ireo mpilalao malagasy hatrany, na izany na tsy izany.
J. Mirija
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny