Solomampionona Koloina Razafindranaivo na Rakool. Hanomboka fifaninanana vaovao eo amin’ny taranja baolina kitra ity irakiraka mpanafika malagasy vao 22 taona monja ity, araka izany, aorian’io rehefa niaina ny fifaninanana matihanina teto an-toerana niaraka tamin’ny CFFA Andoharanofotsy tao anatin’ny Orange Pro League teto Madagasikara. Ny klioba divizionina voalohany Alzerianina, Mouloudia Club ao Alger, indray moa no hiarahany mandritry ny 3 taona sy tapany manomboka izao, raha tsiahivina. Efa nahazo ny fahazoan-dalana na “visa” ahafahany monina sy milalao any an-toerana ity kintan’ny kitra malagasy ity ary dia hisalotra tsy ho ela ny loko maitso sy mena, hoy ny fampitam-baovaon’ity klioba vaovaony ity, izay hita ho nirehareha ny aminy fatratra ery.
J. Mirija
Tafahoana any Toamasina ireo klioba matanjaka eo amin'ny sokajy N1 lahy sy vavy. Fantatra omaly hariva ireo ekipa vehivavy hiatrika ny manasa-dalana anio.
Mila manono baolina roa mba ho sahala dia hita avy ny tohiny. Izay no finoan',ireo mpanohana ny Disciples FC mipetraka any Betafo.
Efa any amin'ny Rallye International de Madagascar ny mason'ny rehetra. Asa aloha na dia hisy vahiny ho avy araka ny anarany fa ny azo antoka dia tena hiady mafy ny lalao amin'ireo andro ireo.
Efa nanaiky hitondra ny Barea A i Fabiano Costa na dia somary nananosarotra aza.
Nivoaka ho mpandresy ny Makis vehivavy tetsy Andohatapenaka raha nihaona tamin'ny Kamerona.
Sambany no hikarakara hetsika miavaka ny orinasa Star mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao.