capital de football africain” farany teo, hoy ny avy eo anivon’ny komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra na K2HB. Izay ilay noresahanay foana hoe ny fanomanana no tokony atao misimisy kokoa mialohan’ny fiatrehana ny fifanintsanan’ny tompondakan’i Afrika na CAN 2023, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Igniace Randrianirina na Ramasy. Nihaino aloha izany ny teo anivon’ny federasionina ary nisy azo heritreretina sy tsapain-tanana tsara izany ny mikasika ny CAN 2023. Manana herijika hiatrehana ny CAN 2023 isika. Matoky aho fa ho tafita isika, raha ny zava-misy izao aloha no jerena. Ny baolina kitra tsy matematika. Lalao miisa 3 no mbola hananantsika ka raha vokatra tsara foana no azo amin’ireo dia azo heritreretina ny haha tafakatra antsika indray. Ny fifankazaran’ny mpilalao ihany no mila hatsaraina, indrindra, eny ambony kianja hita efa mety izy io. Miha tanora ihany koa ny mpilalao na dia mbola misy zokinjokiny tafajanona aza. Ampy antsika ihany koa raha ireny lalao ara-pirahalahiana vita ireny, hoy hatrany ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny K2HB
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny