airtel

Sport

28-juil-2022

Sport

Kung-fu Wisa Hahatsiaro ireo maritiorany

Sample post image

Ny faran'ny herinandro teo no fitsidihim-paritra faha 6 nataon'ny federasionina malagasin’ny Kung-fu Wisa izay notarihin'i Grand Maître Avoko.

28-juil-2022

Ny faritra Alaotra Mangoro indray no novangian'izy ireo ka Amparafaravola, Tanambe, Bejofo, Ambatondrazaka no nihaonany tamin'ireo mpikatroka Kung-Fu aman'arivony tahaka ny mahazatra. Misy hatrany ny fampianarana, ny toromarika, ary ny fizarana ny fanamafisam-peo enti-tanana na “Sono mobile” mba ho fanatsarana sy fampiroboroboana ity taranja ity isaky ny manao fitsidihana toy izao, hoy ny fampitam-baovao. Ny alahady 31 jolay 2022 kosa no ho tontosaina manerana an'i Madagasikara ny fotoam-bavaka lehibe ho fahatsirovana ny faha 37 taona namonoana sy nitifiran'ny tafi-panjakana an'ireo mpanao Kung-Fu marobe, izany hoe ireo maritioran’ny Kung-fu Wisa, (TTF: 1 aogositra 1985- 1 aogositra 2022) tamin'ny alalan'ny basy aman-tafondro sy ny angindim-by. Maro ny namoy ny ainy, nisy ny naratra, tao koa ireo mpanao Kung-Fu nogadraina sy notanana am-ponja nandritra ny 3 taona (1985-1988). Ho an'Antananarivo dia etsy amin'ny fiangonana Maison Saint Ignace Analamahitsy Androhibe no fotoana ny alahady amin'ny 10 ora maraina. Ho an'i Mahajanga dia ao amin'ny Ekar Katolika Tsaramandroso, ho an'i Mampikony dia ao amin'ny Ekar St Joseph mampikony ary any amin'ny toerana sy fiangonana samihafa isam-paritra. Hisy fanolorana fanampiana sy fankaherezana hataon'ny federasionina malagasin’ny Kung-fu wisa ho an'ireo niharam-boina amin'io fotoana lehibe io. Mitohy hatrany kosa ny fifaninanam-paritra ho an'ireo Ligy manerana ny nosyary mampanantena ny Grand Maître Avoko fa taona hanamafisana orina ho an'ny Kung-fu wisa ity taona 2022 ity ka mitohy tsy an-kijanona ny fitetezam-paritra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap