airtel

Sport

21-juin-2024

Kylian Mbappé

Mety ho afaka hilalao anio…

Sample post image

Hiaka-tsehatra indray ny Frantsay anio amin’ny 10 ora alina ho an’ny andro faharoa ao anatin’ny Vondrona D.

21-juin-2024

Hilalao i Kylian Mbappé sa tsia ? Fanontaniana apetraky ny mpanaraka baolina kitra io. Efa niverina an-kianja nanao fanazaran-tena niaraka tamin’ny namany ity kapitenin’ny Frantsay ity izay marihina fa naratra teo amin’ny orony, nandritra ny fifandonana tamin’i Autriche izay nandresen’izy ireo 1-0. « Mety ho afaka hiatrika ny lalao hifandonana amin’i Pays-Basi Kylian Mbappé ! Io no nohamafisin’i Didier Deschamps tamin’ny valan-dresaka nataony ho an’ny mpanao gazety. «Azo atao angamba?», io fehezan-teny voalaza fa nampalaza an’i Patrick Montel nandritra ny Euro 2014 io no nompiasain’ny mpanazatra Frantsay. Hatreto, mitarika ao amin’ny isa 3 ao min’ny Vondrona D i Pays-Bas izay manatombo amin’ny baolina tafiditra (2-1) nanoloana an’i Pologne, raha faharoa amin’ny alalan’ny isa 3 ihany koa i France izay nandresy 1-0 an’i Pologne.
Toky R

 

Dans la même rubrique