airtel

Sport

13-mars-2024

Lalaina Nomenjanahary na Bolida

Mandray fiofanana amin’ireo andrarezina hatrany

Sample post image

Na dia efa manana ny mari-pahaizana ambony maha mpanazatra

13-mars-2024

na ny BEF ao Frantsa aza i Lalaina Nomenjanahary na Bolida dia mbola mandray fiofanana amin’ireo andrarezina hatrany. Nandalo tao amin’ny ivotoeram-panofanana izay hitantanany ireo katita kely amin’ny renivohitr’i Frantsa dia ny Paris FC indray, raha ny fampitam-baovaony omaly, ireo mpampiofana mpanazatra matihanina frantsay mirahalahy dia i Robert Pirès sy Vikash Dhorasoo. Izy mirahalahy ireto moa dia efa samy nandrafitra ny ekipam-pirenena frantsay eo amin’ny taranja baolina kitra avokoa. Samy nilalao tao afovoanin’ny kianja tao saingy i Robert Pirès, isan’ny namiratra tao amin’ny klioba sangany anglisy dia ny Arsenal ary i Vikash Dhorasoo kosa nilalao tao amin’ny divizionina voalohany frantsay tao Parisy dia ny Paris Saint Germain na PSG izany. Mifanena aty amin’ny tontolon’ny fanofanana mpanazatra indray izy mirahalahy ireto ankehitriny ary isan’ireo manofana hahazoana izay diplaoma BEF izay mihitsy, raha ny tsara ho fantatra nampitaina hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap