I Rojo Be irery izay lasa any amin'ny Saint Pauloise no tsy ao voatazona ao izany. I Nina sy Joma samy mpiandry tsatokazo. Ao ihany koa izy efa-dahy vodilaharana ahitana an'i Tantely, Datsiry, Berajo ary Dadafara. Ny irakiraka indray no ahitana an'i Dax sy Lalaina. Asa aloha izay fomba handaharan'i Dupuis azy fa lasa ao koa i Tsiry sy Rakoul hany ka tonga 11 ireo irakiraka. Mbola tsy nisy an'izany hatramin'ny naha tany ny tany. Fa mety izay ko no nahafahana mampiditra kitoza mihantona toa and-ry Zotsara sy Bertrand. Ny mahafaly dia ny nahavoantso an'i Ando Pro ilay zandrin'i Bolida. Ouassero, Ibrahim Amada, Njiva ary Morel izay tonga hizara traikefa no manampy ireo. I Jean Yves no toto-tanana voatazona any aloha miaraka amin'iny tompom-baolina Hakim Abdallah sy Donisa. Tafiditra amin'ity sokajy farany ity i Melvin Adrien saingy ho hafahafa ihany raha hanajanona an'i Nina eo amin'ny seza toy ny tany Etiopia. Ouassero ary Morel sy Njiva no manampy ireo. Izay aloha no azon'i Dupuis atolotra dia ho hita. Ny fantatra satria izay no lalana mifehy ny baolina kitra dia ny hoe raha sanatria resy eo na ady sahala fotsiny aza dia vita ny an'i Vazaha Be.
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny