Nijanona teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny dian’ny Makis Ladies, ekipam-pirenena malagasy latsaky ny 18 taona eo amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 7, nandritra ny Lalaon’ny Tanora Olaimpika (Jeux Olympiques de la Jeunesse) tanterahina any Dakar, Sénégal. Lavon’ny ekipam-pirenena kenianina tamin’ny isa 5 noho 15 ny tovovavy malagasy teo amin’ny lalao manasa-dalana, ka tsy afaka hiady ny medaly volamena intsony. Na teo aza izany faharesena izany, tsara ny vokatra azon’ny Makis Girls teo amin’ny lalao isam-bondrona. Tsy nisy faharesena azon’izy ireo tamin’ireo lalao telo nifandimby natrehiny. Resin’izy ireo tamin’ny isa 12 noho 10 ny Eagles avy any Etazonia, avy eo ny Las Leonas avy any Espaina izay lavony tamin’ny isa 19 noho 12, ary nofaranany tamin’ny fandresena 19 noho 5 nanoloana an’i Tchéquie izany. Mbola nanana lalao iray niadiana ny laharana fahatelo ny Makis Girls. nifandona amin’ny ekipan’i Tchéquie izay resin’i Aostralia tamin’ny isa 10 noho 19 teo amin’ny manasa-dalana voalohany. Afaka nanarina ny ekipam-pirenena, ka nahavita nanamontsana indray an’i Tchéquie tamin’ny isa 26-10 raha 19-5 tamin’ny lalao isam-bondrona. Mazava ho azy fa norombahan’ny Malagasy ny medaly alimo tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity, izay sambany teo amin’ny tantara no nahazoantsika medaly tamin’ny lalao olaimpika ho an’ny taranja iraisana tahaka izao, eny ny hatramin’izay mihitsy aza.
Toky R