Efa tafita mivantana ny telo dia i Fabio Rakotoarimanana eo amin'ny tennis ambony latabatra, Laura Rasoanaivo eo amin'ny judo ary Rosina Randafiarison eo amin'ny fibatana fonjamby. Miampy roa avy amin'ny lomano nahazo fanasana manokana ireo raha tsy miova amin'ny ora farany dia i Jonathan Raharvel ary i Tendronavalona Idealy. Voalaza ny tsilian-tsofina re aza fa ity farany ity no hitondra ny saina. Voninahitra ho an'Antsirabe iray manontolo izany safidy izany efa ny any Betafo aza satria fony mbola kely i Tendry dia izy no nitokana ny dobo filomanosana ao Andranomafana Betafo izay mirefy 25m. Rava ny sikilaonina Ava moa ity Riverside ity dia tsy tafarina intsony na dia nisy aza fampanantena fiaraha-miasa nataon'ireo minisitry ny Fanatanjahantena nifandimby satria dia efa tao ireo mpilomano teto Vakinankaratra no nanao fanazaratena. Efa nanao fifaninana tao koa aza ny triathlon. Ny avy amin'ny atletisma no roa farany mameno ny atleta ho fito. Ary tsy misy fahagagana izany fa tsy maintsy ho lasan'i Sidonie Fiadanantsoa (100m misy fefy) sy Claudine Nomenjanahary (100m) raha tsy hoe angaha naratra izy mirahavavy ireto. Ny tokony hifaninana aminy mantsy toa zary lehilahim-bomanga ihany.
Clément RABARY
Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)
Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe
Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’
Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,