airtel

Sport

12-avril-2022

Sport

Lalao Rugby coupe ombin ny Arema Tontosa teny amin’ny Malacam ny alahady teo

Sample post image

Tontosa ny alahady 10 aprily teo ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina lavalava izay nokarakarain’ny Antoko Arema, teny amin’ny Kianja Cheminot Antanimena.

12-avril-2022

 Lalao miisa 4 no tokony ho natao, saingy tsy tontosa ny iray. Hoan’ireo klioba avy any Atsimondrano dia resin’ny Magnam tamin’ny isa 8 no ho 3 ny Desam. Nivoaka ho mpandresy nanoloana ny RSA 2 tamin’ny isa 13 noho 6 ihany koa ny XV OOAN. Hoan’nireo klioba teto antananarivo Renivohitra kosa, niondrika nanoloana ny XV Complexe tamin’ny isa 20-6 ny XV Piste. Ny lalao tokony ho natrehan’ny Savase Rose sy ny Aigle Noir kosa no tsy tanteraka tamin’ny ora farany ka mbola miandry ny fandaminana ny kianja Ao amin’ny Malacam ny famerenana raha ny nambaran’ny mpikarakara. Marihina fa ireo rehetra nivoaka ho mpandresy tamin’izao lalao izao dia nibata Omby mifaha avokoa. Notoloran’ny antoko Arema baolina ihany koa ireo klioba rehetra izay tsy nahazo ny anjarana tamin’ny fizarana baolina nataon’ny antoko ny volana Mars teo. Nandritra izany ihany koa no nanoloran’ny fikambanan’ny mpanao « rugby coupe » hoan’ny sekretera nationalin’ny antoko Arema ho fankasitrahana ny fanohanany izao fifaninanana izao Mitohy ny asa fanatonana ny vahoaka ataon’ny arema raha ny nambaran’ny sekretera nationaly Ramatoa anick Ratsiraka. Taorian’iny hetsika ara-panatanjahantena iny mantsy dia hotanterahana tsy ho ela indray ny fanolorana ny loka tamin’ny fifaninanana tanana Madio, nandritra ny hetsika fanadiovana teny amin’ny faritra iva,, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap