airtel

Sport

03-août-2023

Sport

Lalaon'ny Frankofonia Mamiratra ny vehivavy Malagasy

Sample post image

Nandrombaka ny medaly volamena teo amin'ny 100m misy fefy i Sidonie Fiadanantsoa nandritry ny Lalaon'ny Frankofonia tanterahina any Kinshasa amn’izao fotoana.

03-août-2023

Ohatry ny baskety lalaovin'olon-telo dia tena mba haintsika ity 100 m misy fefy ity. Nahazo medaly volamena tamin'ny lalao iraisan'ny oniversite tany Buffalo no nanokatra ny varavarany i Nicole Ramalalanirina. Mbola izy rahateo no tompon'ny zava-bita tsara indrindra teto Madagasikara saingy io fahaizany io nahatonga ny Frantsay haka azy. Ary die efa Frantsay i Nicole Ramalalanirina no nanao ny famaranana tany amin'ny Lalao Olympika tany Sydney. Tamin'io fotoana io kosa no nipoitra i Rosa Rakotozafy saingy tsy nivoaka ny sokajy nisy azy. Efa tompondakan'i Afrika kosa anefa i Rosa Rakotozafy ary niofana ela tany amin'ny foibe tany Dakar. Ary izay koa no nanokatra ny varavarany satria dia nataon'ny minisitry ny Asa, Maharante Jean de Dieu, sy ny Tale Jeneraly ny Akademia Nasionaly ny Fanatanjahantena Patrice Ranaivoson, ho nitovy lenta amin'ny licence. Raha ny vaovao avy any Kinshasa ihany dia hanao ny manasa-dalana eo amin'ny baskety vehivavy ny Ankoay ary hihaona amin'ny Sénégal. Resin'i Kristina sy ny ekipany izay voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra ny RDC tamin'ny moka fohy, 56 noho 53. Hita hatreo aloha izany fa manao izay mety ary mamiratra ny mpanao fanatanjahantena vehivavy Malagasy, ary tena mahazaka tsara mihitsy ny fifaninanana irasam-pirenena. Vao farany teo teo amin’ny taranja Judo no nandrombaka ny medaly volamena ihany koa i Laura.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap