Asa na reraka fa dia ny Cameroun indray no nandresy noho ny farany tamin'ny isa 70 noho 66. Tena vokatra tsy nampoizina nefa dia mbola Malagasy no voafidy Mpilalao Tsara Indrindra dia i Muriel izany. Nahafaty 16 ity kapitenin'ny Ankoay ity ary nahavita nanakana baolina indroa. Ny somary nandiso fanantenana kely dia i Marion ilay mpilalao avy any Frantsa ary vao niverina nanaraka fiofanana tany Etazonia. Asa aloha fa dia isa roa no mba vitany. Mety avy amin'ny fifandraisana tsy dia zarizary raha tsy hiteny afatsy ny filaharana lavabe rehefa hisakafo. Mila mandresy ny Tonizianina omaly alina ny Ankoay raha te hiady ny ampahaefadalana. Efa tafiditra ao anatin'ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy rahateo ity atao any RDC ity satria dia ny maro amin'ireo mpilalao no voafantina amin'izany. Tombony ny fananana an'i Prisca mpanazatra.
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny