airtel

Sport

19-mai-2023

Sport

Lalaon'ny Nosy Ataovy tanànan'ny Lalao i Vontovorona

Sample post image

Amboarina ny lalana mankeny Vontovorona eny amin'ny ivon-toeran'ny fanatanjahatena izay naorin'i Arizaka Rabekoto Raoul ho an'ny CNaPS

19-mai-2023

ary isan'ny nanenjehina azy ho nanondikodim-bola. Mivadika ny tantara taona maro aty aoriana fa kay moa teny ilain'ny fitondrana ity toerana manan-tantara ity. Tsy hidirana ny hoe sao dia tokony omena an'i Raoul izany an'i Rabekoto fa ny zava-misy aloha hatreto dia tena mety raha ity "Complexe sportif de la CNaPS" no hatao tananan'ny Lalaon'ny Nosy fa tsy mijanona ho sehatry ny taranja efatra fotsiny. Efa manomboka mantsy ny fanamboarana ny lalana avy eo amin'ny CUR mankeny ka efa tomombana ny rehetra Nefa mbola mety ho tsara noho izao io raha hifandrimbonan'ireo orinasa lehibe toa ny Colas sy Sarah ohatra ny famitana ny trano lehibe eny an-toerana izay nokasaina hatao hotely Kintana dimy misy fipetrahan'ny Hélicoptère an'ny Filoha Andry Rajoelina. Efa eny ny jiro da omeo ny Cogelec Elgeco ny mpitsimpitsony fa hataon'ny ekipam'i Alfred Andriamanampisoa ao anatin'ny fotoana fohy izany. Azo amidy toa ireo trano tany Maorisy izany raha toa ka mavesatra amin'ny fanjakana Ho sarotra ho an'ny ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahatena anefa izany fa aleo dia komity mahaleotena miaraka amin'ny fiadidian'ny Repoblika no miandraikitra izany. Efa misy efitra lehibe azo hioetrahana anefa ba izany na tsy izany eny ka raha tena tsy vita dia atao fonenan'ny delegasiona malagasy izay mahazo tombony satria efa eo ny kianja ho an'ny tennis, ny fanaovana athletisma sy baolina kitra, ny dobo filomanosana ary ireo efitra lehibe mitafo hanaovana fanazarantena ho an'ireo tatanja maro. Fehiny, tena tsara ity tetikasa ity satria ao aorinan'ny Lalao dia mba omena ny baolina kitra mba hitovitovy amin'ny any Clairefontaine fa tsy hoe any anaty renirano intsony no misasa ireo Barea. Asa aloha fa raha tena fampandrosoana marina no atao dia lalana iray ny fanaovana ivon-toeran'ny fanatanjahatena toy ny eny Vontovorona .
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap