airtel

Sport

23-févr-2024

Lalaon'ny Nosy atsy Comores

Efa fantatra ireo taranja, mila fahamatorana kokoa ny Malagasy

Sample post image

Tsy ela dia namoaka ireo taranja hifaninana mandritra ny Lalaon'ny Nosy ry zareo Kaomoriana.

23-févr-2024

Tsy nisy fiovana tamin'ireo taranja nifaninana teto Antananarivo saingy mitaky fomba sy ezaka matotra kosa ho antsika Malagasy. Ny tonga ao an-tsaina voalohany dia ny tsipy kanetibe izay nitondra medaly betsaka ho an'i Madagasikara saingy tsy fantatra na mbola hahazo alalana amin'ny Federasiona iraisam-pirenena satria raha ny filazan'i Claude Azéma izay filohan'ny FIPJA dia famindram-po no nahazoany nanao ny tsipy kanetibe tamin'iny Lalaon'ny Nosy 2023 iny. Azony natao ny tsy nanaiky ny hanaovana io taranja io satria aminy dia mbola voasazy i Madagasikara ary dia ho saziany koa ireo firenena mandray anjara. Efa nazava tamin'ny rehetra moa ny antony nanasaziana ny tsipy kanetibe malagasy ary tsy dia ny trosa tsy voalohan'ny MJS amin'i Dolys Randriamarohaja fa noho ny fisian'i Rosa Rakotozafy izay Tale Jeneraly ny Fanatanjahantena eo anivon'ny MJS. Tsy levon'ny vavonin'i Azema mihitsy mantsy ity Tale ity izay niray tendro tamin'ny FMP notarihin'i Béryl Razafindrainony. Ity ekipa farany ity no isan'ny nanampy an'i Maroc hanonga an'i Azema fa nanangana federasiona vaovao. Ary dia io tantara io no mampikatso ny tsipy kanetibe eto amintsika ary na tsy miditra mivantana amin''ny raharaha tokantranon'ny Malagasy aza i Claude Azéma dia nilaza mazava fa tsy manaiky ny fitsabahan'i Rosa Rakotozafy amin'ny raharahan'ny tsipy kanetibe. Na izany na tsy izany satria mbola Tale Jeneraly indray i Rosa Rakotozafy hatreto dia mbola mety tsy hivaha ny fatorana. Tsy ny tsipy kanetibe ihany anefa no tokony asiana maso fa tokony jereba dieny izao koa ireo taranja tsy nahazoana vokatra. Voalohany amin'izany ny bisikileta izay tsy nitoko mihitsy teo. Ny antony tsotra dia tsy to teny intsony ny filohan'ny federasiona, Relaha Jean Claude izay teo foana efa ho 20 taona. Raha mandeha moa ilay taranja ka haninona fa teny tsy mandeha ary ny fiadiana ny tompondaka eto Madagasikara aza lasa peta-toko. Ny Tour de Mada izay nampalaza aza niara-maty amin'i Francis Ducreux. Ny taranja iray tena mila famonjena koa dia ny ady totohondry. Tsy misy hatao mihintsy ny filohan'ny Federasiona, Herimamy fa dia lasan-ko vavany fotsiny. Maty ilay taranja ary difotra tanteraka any amin'ireo faritra nampalaza azy toa an'i Toliara, Morondava ary Toamasina. Misy koa ireo taranja mila famonjena toa ny handball sy volleyball izay tsy mba mahazo avaram-patana ao Ambohijato. Tsy ampy anefa izany miantehitra amin'ny tena izany raha tena hampandroso marina. Ny karaté indray izay mivaky roa dia ho sahirana ny handahatra ireo tena tokony handrombaka medaly. Asa aloha fa ireo nosy hafa izao dia efa hiroso amin'ny fanomanana ka sao lahy i Madagasikara hilaozan'ny omby mihahaka.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap