airtel

Sport

28-août-2023

Sport

Lalaon'ny Nosy Aza mibitabitaka amin'ny zavatra tsy hay !

Sample post image

Andro fahatelo ho an'ny Lalaon'ny Nosy omaly nefa dia tena mbola tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny zava-drehetra.

28-août-2023

Ny sakafo aloha dia mbola tara foana ny fizarana azy. Amin'ny 3 ora mbola tsy misakafo ny atleta nefa efa hiakatra kianja. Misy ireo Federasiona no mianto-tena nefa dia tsy izany no nifanarahana. Eo koa ny karatra fidirana izay tena manahirana ny ahazoana azy. Noesorina tamin'ny Federasiona moa ny fikarakarana ka miteraka fahasorenana. Tetsy Ambohidahy eo amin'ny tennis izao dia nolazaina fa tapitra ny tapakila nefa tena mbola malalaka ny toerana. Ny loza dia tsy fantatr'ireo mpikarakara akory ny filohan'ny Federasiona tennis teo aloha, Serge Ramiandrisoa, ka tsy navela hiditra avy eo rehefa nifampiresaka dia hoe efa natao ny karatra ho anao fa mbola tsy azo. Fa ny tena mahamenatra dia tsy navela hiditra koa Dally Randriantefy izay tena andrarezin'ity taranja ity ary tokony omena seza manokana aza noho ny zavatra vitany ho an'ity firenena ity. Raha hiverenana kely ilay loza teny Mahamasina ka raha mitory ireo fianakaviana mana-manjo dia tsy maintsy ny COJI no ho voa. Tsy nahay nandray lesona satria raha nahafaty olona iray ny septambra 2018 dia najaton'ny CAF telo volana io kianja io ary tsy nivoha raha tsy nampitomboina enina ny varavarana fidirana. Ny zoma teo anefa dia varavarana iray C5 sisa no nivoha fa efa feno ny kianja ka niteraka ilay fifanosehana. Mbola tsy fahaizana mitantana ihany nahatonga izany ary efa diso hatrany amboalohany ny nampifangaroana ny Ministeran'ny Fanantanjahantena sy COJI. Tsy mbola izany sady ministra no Tale Jeneralin'ny COJI izany izay tazonin'i Haja Resampa ary tsy mbola izany hoe Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena i Rosa Rakotozafy no mbola Tale Mpanantanteraky ny COJI. Dia gaga ianao !
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap