airtel

Sport

20-juil-2023

Sport

Lalaon'ny Nosy- Baolina Kitra Lasa Vazaha misolo Vazaha !

Sample post image

Tena tsy mahita handaniana vola ve ny Ministeran'ny Fanatanjahantena no dia mahavita manafatra vazaha telo be

20-juil-2023

izao hanampy ny baolina kitra mandritry ny Lalaon'ny Nosy ? Zara fa afaka tamin'ny fandoavana ny volabe tamin'i Nicolas Dupuis dia izao indray hanarama an'i Maaref Wissen, Gilles Higon ary Patrick Duvaux. Ingahy Gilles Higon moa efa teny amin'ny foibe teny Carion ary ilay Tonidianina Maaref Wissen indray efa tao anaty ekipa teknika ny Dijon. Farany i Patrick Duvaux dia manampahaizana momba ny sakafo. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe fa angaha tsy nahavita ny andraikiny ry Bebeto sy ny namany nanampy an'i Roro tany Alzeria no dia niantsoana Vazaha. Ny Maorisy aza niantso an'i Fidy Rasoanaivo dia isika indray ve no hiantso vahiny nefa mbola resaka Lalaon'ny Nosy no resaka. Raha Amboara eran-tany no nakana an'i Carlos Ancelotti dia mitombona ny fanapahan-kevitry ny MJS. Zao dia io ekipa sadasada io no hiaro ny voninahitra na dia niara- nahita aza fa tsara ireo Barea tany amin'ny CHAN. Ho hita eo ihany fa raha ny fandaharana dia hanao lalao roa ara-pilahiana any Mahajanga ny Barea dia ry eareo avy any Kenya sy Mayotte. Mikasika ny Fosa Juniors tsy nandray anjara amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika indray dia nilaza ity farany fa noho ny fifandrifin'ny Lalaon'ny Nosy sy ny savaranonando no tena antony satria miisa valo ireo nantsoina handrafitra ny Barea. Azo raisina fa tsy mitombona hoy ny fitenenan'ilay namako izay satria misy afaka manolo foana ireo. Ary iza no mahita aorian'ny fifantenana farany raha mbola betsaka no hihintsana ireto Fosa ireto. Raha ireo lalao nataony farany mantsy dia toa tsy nisy tafaverina amin'ny tanjzny intsony na i Donga, na i Dax sy Tsiry ary Jean Yves. Vitana sisa tsy nandresen'ny FC Rouge azy teny Ambohidratrimo. Asa aloha fa enga anie i Roro Rakotondrabe tsy hamerina ny hadisoan'ny teo aloha ka hisafidy amin'ny anarana fotsiny.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap