airtel

Sport

04-sept-2023

Lalaon'ny Nosy

Laharana voalohany i Madagasikara

Sample post image

Tratra ny tanjona fa tonga teo amin'ny laharana voalohany i Madagasikara noho ireo medaly volamena miisa 272

04-sept-2023

ka volamena ny 122, 70 ny medaly volafotsy ; 80 kosa ny medaly alimo. I Maorisy no faharoa , nahazo medaly volamena 91, narahan'i La Réunion, medaly volamena 79, Seychelles (11), Kaomoro (5), Maldives (5) ary Mayotte (3). Tsy hiadin-kevitra izany fandresena miezinezina izany dia nanamaloka ny ezaka ireo olona marobe maty tetsy Mahamasina nandritra ny lanonam-panokafana. Ny teny nahafaly ny vahoaka dia ny nahazoana indray ny medaly volamena teo amin'ny baolina kitra. Fandresena 1 noho 0 izay niteraka resabe niaro fikasian-tanana ireo mpitsara Maorisianina izay nanome ilay penalty novonoin'i Tendry, ilay mpilalaon'ny Disciples. Tsy any amin'ilay hoe penalty na tsia anefa ny resaka satria efa nisy nandray tanana koa ny mpilalaon'ny La Réunion ary tao anaty faritra mena fa tsy notsofin'ny mpitsara. Ary raha tena izay no izay dia mety fanonerana ny hadisoany teo aloha no nahatonga azy nandray iny fanapahan-kevitra iny.Tsy maninona izay divay sotroina rehefa maha mamo hoy ny Frantsay ary dia mijanona amin'iny ny resaka tena tsara ho an'ny Malagasy satria tamin'ny telopolo taona lasa isika no nahazo izany farany. Raha hijanonana ny lalao iraisana dia nanao zato isan-jatony ny basket lahy sy vavy na teo amin'ny 5x5 na 3x3. Ny volley indray dia samy tafiakatra nanao famaranana fa resin'ny Seychelles ny vehivavy ary resin'ny La Réunion ny lehilahy nandritra ny tie break. Izany hoe voa tamin'ny kely foana .Misy anefa tamin'ny mpilalao Malagasy no tena mahay toa an'i Hoby, Lalah, Eugénie, Miahy izay tena mbola tanora vao erotrerony na koa Fifi fa rehefa tsy mety izay izy dia ny ranovola aza hono misy voay araka ny fiteny mahazatra an'i Raglafy Claude Ravelomanantsoa.
MISY FOMBA FIASA MILA HATSARAINA
Tsy nahovoka koa ny handball tsy tahaka ny rugby lalaovin'olona fito izay nitsangatsangana. Resin'ny La Réunion 30 noho 22 ry Judith sy namany raha tany amin'ny manasa-dalana dia very ny lehilahy nanoloana an'i Mayotte. Ny tena nisongadina dia ny fibatana fonjamby izay nahazo medaly volamena 34 amin'ireo 48 nifaninana, Ny kickboxing koa dia nahazo volamena 8 amin'ireo 12 niadiana raha 13 fotsiny ny atletisma izay hitsikitsika nivavahana hatramin'izay. Tsara na izany aza ny vokatra amin'ny ankapobeny saingy teo amin'ny fitantanana no nisy tsy tomombana. Tena tsy mba nahay naka lesona ny ministeran'ny Fanatanjahantena sady COJI hany ka hatramin'ny filaharana tamin'ny lalonam-panokafana aza diso. Tsy lazaina intsony moa ny fahatarana teo amin'ny sakafo izay tena nzmpimenona ny atleta rehetra. Teo koa ny fitaterana izay tena tsy nisy toa ny mahazatra ireo mpanao gazety voatery miaritra ny fitohanambe fa tsy mba manana bapamba nefa nanararaotra koa ireo taxi moto. Ny tatsy Maorisy farany teo ange ka mampiseho karatra dia tsy mandoa. Ary dia tantara be izany ho eny Vontovorona eny amin'ny kanetibe nefa tena tsara ny vokatra tamin'ity taranja ity fa ny tifitra lahy sy vavy ihany no votsitra. Lasan'ny Malagasy daholo ny olon-tokana, olon-droa ary ny olona telo lahy sy vavy miampy olon-droa vavy sy lahy niaraka. Soa ihany fa navotsitrin'ny federasiona iraisam-pirenena ny sazy. Izay fomba nahatonga izany aloha tsy fantatra fa toa hoe ny MJS no nanelanelana. Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap