Ny fantatra aloha dia tsy nomen'ny fanjakana ilay vola be 18 miliara nangatahan'ny Minisiteran'ny Fanantanjahantena sy Tanora. Aloahany kely no azo ka izay no mampanontany tena hoe sao dia tokony ajanona ary satria vao maika mampitombo ny trosa Raha toa ny Lalaon'ny Nosy rehetra hatramizay moa ka atao ahoana fa ity andiany faha 11 ity ange ka anarana tsy very sisa. Tsy misy ilay Tanànan'ny Lalao miaraka amin'ny anto-pisiany dia ny hampitambatra ny tanora eto amin'ny Ranomasimbe Indiana. Fifaneraserana anaty fifankatiavana. Very raha tsorina ny fotom-pisainana nanaovana itony Lalaon'ny Nosy itony. Vao heno hoe ny ministra ihany no Tale Jeneralin'ny Komity Mpitantana ( COJI) dia fantatra fa hivaona amin'ny lalana tokony hizoraba satria dia rafitra tena mahaleo tena izany COJI izany fa tsy mifangaro indrindra ara-bola amin'ny MJS Vokany ny havia lasa havanana ary hatreto aza dia mbola ny tennis ambony latabatra no fantatra fa niditra amin'ny fampivondronana farany. Ny baolina kitra no efa eny ankianja na dia fantatra aza fa ny hanome hasina sy voninahitra ny filoha teo aloha Ahmad no nahatonga iny fandehanana any Mahajanga iny izay tsy misy hidirany loatra amin'ny tena fampivondronana izay tokony mijanona aty Antananarivo fa tsy midiny any amin'ny morontsiraka. Fa na izany aza ny fiarahana no tena zava-dehibe. Tsy ho avy araky ny fampanantenaina ny ekipan'ny Mayotte raha tsy amin'ny alahady ho avy izao ka lasa ny ekipa voafantin'i Mahajanga izay vao najoro maimaika hameno ny banga no nifandona tamin'ny Barea. Ry zareo tompontany indray no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'ny Valdo. Nosahalain'i Tendry izany ary Tsiry no namono ny baolina faharoa nahazoana ny fandresena. Ireo taranja hafa toa ny handball koa no nanao fampivondronana saingy mbola soavaly miato-bilona. Raha akapoka dia mbola mampanahy izay mety ho vokatra ho azo raha izao no fandehany. Sarotra ny hino hoe eto Antananarivo ny Lalao dia mbola ho fahatelo aorian'ny La Réunion sy Maorisy isika. Tsy aleo marina ve hajanona na ahemotra amin'ny 2024 mandra-pahavitan'ny Tanànan'ny Lalao tena izy.
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny