kely indrindra rehefa notsiahivina tao ireo taranja tokony natao tany Mahajanga toy ireo lalao lalaovina amin'ny tora-pasika toy ny beach soccer sy beach volley. Noraisina tao anaty fandaharana ihany koa ny voile tany Sainte Marie sy ny surf tany Faradofay. Raha ny fanomanana indray dia izao vao may volon-tratra ny fitondrana taorian'ny fanambarana nataon'ireo taranja sasantsany ny hangoron-damba satria betsaka ny lesoka teo amin'ny fandraisana toy ny sakafo sy ny pitsipitsony ilaina andavanandro.
BASKETY
Fanairana nahitam-bokatra satria dia nanao tsy omby aloha ireo minisitra mpiahy maro nanatitra vola tambin'ny fanomanan-tena. Tetsy amin'ny Live Hotel Andavamamba ny minisitry ny Polisy nanome ireo fanomezana maro. Minisitra telo be izao moa no miahy ny baskety ka tsy atao mahagaga raha mahazo tombony ity taranja an'ireo sakaizan'ny mpandresy ity. Teny Vontovorona ihany koa nijery ny handball ireo minisitra mpiahy ary dia mbola nanome vola ihany koa tsy toy ny nataon'ny ministry ny Angovo sy Akoranafo izay nanome fanampiana kojakoja ilaina andavanandro fotsiny. Mbola miandry angamba by tambin'ny fanomanantena ho an'ny kickboxing.
HANDBALL SY TSIPY KANETIBE
Nisitraka fanampiana koa ny handball sy ny tsipy kanetibe teny Vontovorona. Ny marina dia mety bedy tany angamba ireto mpikambana amin'ny governenanta ireto rehefa nsmpiaka-peo ireo taranja izay akaiky an'i Siteny Randrianasoloniako ny ankamaroany. Tsy maninona izany fa ny vokatra dia io tonga io ny fanampiana. Ampy ve izany ahatonga an'i Madagasikara ho voalohany ? Raha misy tsy hiadin-kevitra aloha dia tena tsara toerana ny baskety sy rugby fa handrombaka ny medaly volamena. Toy izany koa ny tsipy kanetibe raha raikitra ihany satria tsy mbola nandrenesana feo aloha hatreto i Claude Azéma izay filohan'ny Federasiona iraisam-pirenena izay nametraka fa tsy misy ity taranja ity ny Lalaon'ny Nosy. Ny volley-ball izay nanoman-tena mafy no mety ahavita fahagagana rehefa nisalotra ny medaly volafotsy tatsy Maorisy.Fa miankina amin'ny ho enti-manana ihany fa ny fitiavana ilay taranja dia tena misy eo amin'i Mamy Ranaivoson izay filoha mpisolo-toerana sy ny Tale Teknika Nasionaly Honoré Razafinjatovo izay samy mpilalao tranainy ka mahafantatra tsara ilay taranja sy ny lesoka hatramin'izay.
MEDALY VOLAMENA
Ny baolina kitra koa dia mety nahazo volamena. Mety satria hatreto aloha raha any Afrika Atsimo ny Maorisianina ary atsy Maorisy ny Seychelles dia eny Carion no miaritra ny Barea. Carion izay mijaly amin'ny jiro sy rano ary toa tsy mba misy manome tambin'ny fanomanantena. Manampy trotraka izany ny tsy fahatongavan'ireo mpilalao avy atsy La Réunion na dia fantatra aza da ankaotra an'i Ando Pro sy Rojo Be ary Théodin dia mety ho mpisolo-toerana ihany. Ny atletisma indray dia hibata volamena eo amin'ny hazakaza rehetra hatrany amin'ny marathon. Saingy lesoka hatramin'izay ny concours rehetra. Ho sarotra koa ny handresy ny relais 4x100m lehilahy Maorisianina izay laharana fahatelo tany amin'ny Lalaon'ny Frankofonia teo. Baraingo kosa ny kickboxing izay tsy mahavita ny nataon'ny Filohan'ny Federasiona teo aloha Briand Andrianirins satria dia niakangalana tamin'ny fikarakarana ny Federasiona fa niantehitra tamin'irei ligy Manana herijika handrombaka volamena koa ny tennis vehivavy izay entin'i Dina Razafimahatratra izay tonga eto an-tanana. Ny mety habdrombaka volanena betsaka indrindra dia ny fibatana fonjamby nohon'ny ezaka tsy nijanona nataon'ny filoha Harinelina Andriamanarivo. Mety mahazo ihany koa ny karaté raha mahita marimaritra iraisana ireo mpitarika roa dia Emile Ratefinanahary izay olon'Ambohijatovo sy Solofo Andrianavomana izay akaiky an'i Siteny Randrianasoloniako. Ba izany na tsy izany anefa dia ho sarotra izany ho laharana voalohany izany satria misy ireo taranja izay fantatra mialoha fa tsy ho afaka Ny handball no tsy fantatra raha ahavita fahagagana i Tillot Andrismiharinosy sy ny namany fa hatreto aloha dia taolana ny La Réunion. Ny bisikileta aloha hatreto dia mety sady tsy hihira no tsy hanao tsusnjery.Ny filoha Relaha Jean Claude izay tompondaka eo amin'ny fitondrana izay manitsaka ny faha 20 taona nabapahana dia tsy manana hajoro afatsy Ravoatabia na dia hita aza fa tsy nisy atokona izy ba tany la Reunion ba tany Maorisy. Nandritra izay andiany sivy ny Lalaon'ny Nosy izay dia nedaly alimo tany Saint Denis no mba azon'ny bisikileta malagasy nefa dia mbola Relahy ihany no Jean Claude. Mitovy fahavoazana amin'ny bisikileta koa ny ady totohondry izae entin'ny Filohan'ny Federasiona Mamy Rabarison any an-davaka Tsy tazana intsony fa dia fifaninanana eo amin'ny fokontany sady ankalamanjana sisa. Tsy fantatra aza raha mba misy fanazarantena iraisana na tsia. Ireo aloha ireo taranja nahazoana vaovao' amin'ity pejy manokana ity fa mbola hisy ny fidinana an-kianja ataon'ireo mpanao gazetin'ny Tia Tanindrazana.
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny