airtel

Sport

14-avril-2023

Sport

Lalaon'ny Nosy Mbola i Roro Rakotondrabe no hitazona ny Barea

Sample post image

Fantatra omaly fa i Roro Rakotondrabe no voatazona hanazatra ny Barea mandritra ny Lalaon'ny Nosy hototosaina eto amintsika ny 23 aogositra ka hatramin'ny 3 septambra.

14-avril-2023

Efa nampoizina ihany izany satria efa izy no nitondra ny Barea tamin'ny Lalaon'ny Nosy tatsy Maorisy saingy resy teo amin'ny antsapaka ny Malagasy ka tsy nanao famaranana. Raha tsiahivina anefa tamin'izany dia ekipa malagasy fahatelo io noentiny io satria samy nanana lalao ny Barea CAN sy ny Barea Cosafa izay naka ireo heverina ho sangany Ny sisa tsy tiana izany no novolavolzin'i Roro ary tsy resy mihintsy nandritra ireo lalao telo nataony saingy nitovy isa tamin'ny Maorisianina dia lasa atao antsapaka. Izao izany vao mba hiverina amintsika Gasy ny medaly volamena rehefa votsitra tany Seychelles sy Maorisy. Ny mampiavaka ity indray mitoraka ity dia mitazona ny Barea i Roro raha Fidy Rasoanaivo Ilay niara-nilalao taminy tao amin'ny FC BFV kosa no mitazona ny Club M Maorisy. Samy traikefa nolovaina tamin'i Claude Ravelomantsoa Raglady izany no enti-miady saingy ny olona no maha samihafa azy satria tsy maintsy ireo maro nanao ny manasa-dalana tany Alzeria no hampiadian'i Roro. Tsy Rakool fotsiny angamba fa mety misy Drogba amin'izay raha tsara fitondra-tena ity mpanafika ao amin’ny Fosa Juniors ity. Ny sary hafa avoakan'izao fanendrena nataon'ny Federasiona ny Baolina Kitra izao dia ny hoe tsy i Roro Rakotondrabe intsony izany no hitondra ny Barea A any amin'ny fifanintsanana ny CAN ka hihaonana amin'i Ghana sy Angola. Tsy maintsy i Dupuis indray izany satria efa tena lany henatra ity mpanazatra frantsay ity. Araky ny fantatra dia mbola manana mpiaro matanjaka i Nicolas Dupuis na olon-tsotra na ireo mpiara miombona antoka. Mbola misy dia misy koa aza ireo mpikambana ao amin'ny FMF izay efa tena jamba tanteraka ka tsy mihevitra akory hoe lalan'ny baolina ny manolo mpanazatra rehefa tsy misy vokatra. Asa inona loatra no andrasana amin'i Morel izay efa nandeha nisotro ronono tao Lorient dia lasa manao baolina fokontany ao amin'izany US Montagnarde izany. Torak'izany koa i Melvin Adrien izay divizioba fahaefatra no hilalaovany any Frantsa. Niniana natao ratsy ny vodilaharana nasiana an'i Morel sy Kenji Van Boto izay nalefa sisiny nefa eo ampovoany toerana mahazatra azy Vokany, nidiram- baolina telo i Nina dia nolazainy fa tsy mahay mba ahafahany mampiditra an'i Melvin amin'ny lalao miverina. Votsi-droa ilay tary kelin'Ambohimena Antsirabe satria niala koa ilay olona nalefan'ny Paris FC hijery azy. Raha izay moa mbola haninona fa mbola nidongy toerana tao koa i Hakim Abdallah nefa dia tsy nahafaty baolina nandritry ny lalao enina nataony Asa aloha fa raha io Hakim no maniry hilalao aty amin'ny Elatr'i Betafo dia lazaiko hoe efa feno ny toerana. Mba marina moa !
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap