etsy Mahamasina dia lasan'ny Malagasy avokoa ireo medaly volamena 12. Mbola nisy koa ireo zava-bita tsara indrindra tamin'ny Lalaon'ny Nosy rehetra toa an'i Eric Andriatsitohaina izay nahavita 107 kg ny arraché ary 145 kg by épaulé jeté. 252 kg izany no totaly olympika nahazoany ny volamena fahatelo. Efa nampoizina koa fa hanao poa telo koa i Rosinah Randafiarison teo amin'ny sokajin-danja latsaka ny 45 kg. 75 kg ny arraché ary 90 kg kosa ny épaulé jeté. 265 izany ny totaly olympika. I Rosina rahateo no nanokatra ny medaly volamena Lalaina Sabrina (-49 kg) no vehivavy faharoa nahazo medaly volamena telo ary Ricardo kosa teo amin'ny lehilahy. Mbola misy efatra hiaka-tsehatra ny Malagasy anio ao amin'ny Lapakely Mahamasina.
Clément RABARY
Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso
10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra
Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc