airtel

Sport

22-mai-2023

Sport

Lalaon'ny Nosy Nesorina ny taranja 12, tsy misy « village des jeux »

Sample post image

Vara-datsaka ! Nofafan'ny Komity Iraisam-pirenena momba ny Lalaon'ny Nosy ny taranja 12 tokony hifaninana mandritra ity andiany faha 11 atao eto Madagasikara.

22-mai-2023

Tsy ao anatin'ireo hifaninana intsony izany ny beach soccer, ny beach volley, ny équitation, ny baolina kitra vehivavy, ny ady totohondry vehivavy, ny kickboxing, ny surf, ny voile, ny tir à l'arc, ny taekwondo, ny rugby olona 15 ary ny 3000 m steeple. Ny fanontaniana mipetraka voalohany dia ny hoe nahoana no tsy mba voakitikitika ireo taranja izay manana mpikambana ao amin'ny Komity Nasionaly Olympika. Nahoana koa no taranja hita fa mivoatra toy ny taekwondo no nesorina nefa fantatra fa isan'ireo hibata medaly maro ho an’ny Malagasy. Raha momba ireo taranja hafa anefa dia toy tsy hiadin-kevitra ny fanesorana azy toy ny beach soccer izay tena tsy voafehin'i Alex Lay Men, ilay filohan'ny komisiona ao amin'ny FMF. Torak'izany koa ny baolina kitra vehivavy satria zara raha nahavita ny fiadiana ny ho tompodakan'i Madagasikara tao Antsirabe ramatoa Michela Sandrine, mpikambana ao amin'ny FMF ihany koa .Voakitik'io fanesorana io koa ny kickboxing satria tena tsy mandray andrakitra hatreto ny filoha vaovao Lylison. Ny surf izay nokasaina hatao any Fort-Dauphin sy ny voile any Sainte-Marie aloha dia mazava ho azy fa noho ny vola tsy ampy no nanafoanana azy ireo. Ny karaté izay mbola misedra olana indray no mbola voatazona satria lasa vaky roa ka misy ny andaniny entin'i Solofo Andrianavomanana izay tohanan'ny KOM ary misy ny an'i Vazaha Émile Ratefinanahary izay miaraka amin'ny ministera izay inoana fa tsy maintsy tohanan'ny MJS vola kanefa ny lisitra dia ny KOM no manome azy. Efa niakatra eo amin'ny Federasiona iraisam-pirenena moa ity raharaha ity ary dia naato ny roa tonta saingy tsy fantatra izay niafarany. Mbola baraingo toy izany koa ny tsipy kanetibe satria mbola niteny ny filoha Claude Azéma hoe tsy mahazo milalao ny Malagasy saingy nivoaka ny feon-dakilosy tokana avy amin'ny FSBM hoe afaka ny sazy. Asa aloha izay hiafaran'ity Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 ity fa izy hatreto no vitsy mpandray anjara indrindra. Ny atletisma aza moa dia noferana ho 30 vavy sy 30 lahy no mandrafitra ny delegasiona avy amin'ny firenena iray. Tsy vitan'izany fa dia tsy misy ihany koa ny Tanànan'ny Lalao (Village des Jeux) noho izay tsy fahampiana eo amin'ny enti-manana izay Endrika ratsy ho an'ny Malagasy anefa ireo sary rehetra miseho ary toa manaporofo fa kitoatoa ny fanomanana.
Légende : hita ho gagagaga izany ireo mpikambana ao amin'ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon'ny Nosy raha nitsidika ireo fotodrafitrasa hilalaovana ny faran’ny herinandro teo
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny

Card image cap
02-oct-2023

Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,

Card image cap
28-sept-2023

Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo

Card image cap