Hatao atsy amin'ny Nosy Kaomoro afaka herintaona ny Lalaon'ny Nosy aty amin'ny faritry ny Ranomasina Indianina. Tonga eo amin'ny andiany faha-12 ankehitriny ny fifaninanana ary sambany eo amin'ny tantara i Kaomoro no hampiantrano azy. Hotanterahina ny 10 hatramin'ny 19 Aogositra 2027 ny Lalao araka ny fangatahan-dry zareo avy atsy La Réunion mba tsy hifanindry amin'ny fanombohan'ny taom-pianarana vaovao. Nankatoavin'ny komitin'ny Lalao moa izany ary efa nampahafantarina ihany koa ny sary famantarana ny Lalao. Miisa 18 ireo taranja hifaninanana amin'ity andiany faha-12 ity handraisan'ny sokajy lahy sy vavy anjara, ahitana ny fibatana fonjamby, handball, judo, tsipy kanetibe, tenisy ambony latabatra, beach-volley, voile, badminton, basketball 5x5 sy 3x3, taekwondo, ny baolina kitra ho an'ny sokajy lehilahy ihany. Hifaninana amin'ny taranja lomano sy atletisma ihany koa ireo atleta manana fahasembanana ara-batana.
Jean D.
Sary famantarana ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-12