Raha ny tapaky ny komity mpikarakara mantsy dia hatao eny ny baolina kitra, ny ady totohondry, ny kickboxing sy ny badminton ary ny tifitra tsipika izay taranja vaovao tafiditra tamin'ity andininy faha iraikambinifolo ny Lalaon'ny Nosy .
Malalaka sady lehibe ny fotodrafitrasa eny Vontovorona ary afaka mampiatrano tsara ireo mpifaninana ilay hotely be mojoalajoala any saingy niato ny asa noho ny fanenjehana ny Tale Jeneralin'ny CNaPS sy ny Praiminisitra tamin'izany fotoana izany. Ankehitriny anefa dia toa miodina ny tantara satria toa ilain'ny fanjakana ihany ity Complexe Sportif an'ny CNaPS ity. Efa niasa be ireo efitrano maro be tamin'ny fotoanan'ny Covid 19 iny fa izao izy tena hiasa daholo na ny gymnase na ny eny ivelany aza. Misy ireo efitra lehibe hisakafoanana ary hatramin'ny toerana fanaovana tennis sy dobo filomanosana. Tena feno ny fepetra rehetra ary tsara ihany ny mampatsiahy fa Raoul Arizaka Rabekoto no tompon-kevitra tamin'ny fananganana ity toerana tena avo lenta sy afaka mandray mpiofana maro amin'ny taranja rehetra ity. Mitovy tsisy valaka amin'iny Clairefontaine an'ny frantsay raha ny marina. Ny tokony amboarina angamba dia ny lalana miala eo amin'ny CUR Vontovorona mankany. Mbola afaka mamoaka vola amin'izany ve aloha ny tale jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny CNaPS amin'izao ? Nefa aoka ihany ataon'ny fanjakana sao ahita loza eo koa ny namana Joslina Tsaboto, ilay andrarezin'ny baskety vehivavy tamin'ny fotoanandrony.
Clément RABARY
Tafahoana any Toamasina ireo klioba matanjaka eo amin'ny sokajy N1 lahy sy vavy. Fantatra omaly hariva ireo ekipa vehivavy hiatrika ny manasa-dalana anio.
Mila manono baolina roa mba ho sahala dia hita avy ny tohiny. Izay no finoan',ireo mpanohana ny Disciples FC mipetraka any Betafo.
Efa any amin'ny Rallye International de Madagascar ny mason'ny rehetra. Asa aloha na dia hisy vahiny ho avy araka ny anarany fa ny azo antoka dia tena hiady mafy ny lalao amin'ireo andro ireo.
Efa nanaiky hitondra ny Barea A i Fabiano Costa na dia somary nananosarotra aza.
Nivoaka ho mpandresy ny Makis vehivavy tetsy Andohatapenaka raha nihaona tamin'ny Kamerona.
Sambany no hikarakara hetsika miavaka ny orinasa Star mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao.