Mbola tsy misy valin-teny mazava hatreto fa dia kopy soroka ataon'ny MJS aloha izao fanampahan-kevitra izao satria tsy sahy mihetsika ny FSBM sao hitombo eo indray ny sazy iraisam-pirenena ho an’ny tsipy kanetibe Malagasy. Very medaly volamena fito mantsy ny Malagasy raha tahiny ka tsy raikitra io. Ny azo tenenina aloha dia saika ao daholo ireo sangany amin'ity taranja ity na eo amin'ny lahy na ny vavy. Miakina betsaka amin'ny fahaizana mandahatra ireo mpilalao anefa ny vokatra satria dia lalaon'olona miaraka eto ny resaka. Ho sarotra anefa ohatra ny safidy satria raha ny lehilahy ny resaka dia ao i Tafita, Toutoune, Hery Monde, Havana, Vazaha, Ram's Yves, Radoko ary Haja sy Célestin. Eo amin'ny vehivavy indray dia tena nanjaka ry zareo BIC Ambohimahasoa. Efa tanjon'ny filoha mpanorina ity klioba ity moa no hanana ekipa matanjaka afaka hifaninana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy nitandroany vola aman-karena ny namoroana ireo vehivavy sangany toa an'i Hasina, Judicaël, Vony, Odile, Tahina Kely, Mirana. Felana, Prisca. I Fanantenana sy Christina no mameno ny isa ho folo. Raha fehezina dia tokony ho lasan'ny Malagasy daholo ny laharana voalohana na olona tokana na olon-droa miaraka ary indrindra moa fa olona telo. Mila manao safidy tsara ireo heverina ho teknisianina fa na izany aza dia misy ireo efa zatra miaraka aty tsy mila mpanazatra.
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny