Manazava ity zanak'i Bao Monique ilay kintan'ny basket malagasy ity fa efa betsaka ireo mpandimby mahay ka mety tsy ho votsitra intsony ny medaly volamena. Efa ela rahateo ny fanomananyenan'ny volley malagasy hoy izy ary izay no mahatonga an'i Melissa feno fanantenana. Fantany rahateo ireo mpifanandrina aminy satria dia any Seychelles izy no milalao ao amin'ny ekipan'ny Anse Royale. Efa hitako tamin'ny fifaninana tany Maorisy farany teo fa misy mahay ireo mpilalao nandrafitra ny GNVB saingy ny vintana sy ny traikefa no tsy ampy kely Na izany aza dia faly i Melissa mahita fa mbola ao anatin'ny ekipa malagasy ry Eugenie be sy Lalah izay niaraka taminy nandritry ny Lalaon'ny Nosy tatsy Maorisy. Tombony hoy i Melissa ny fananana ireo teknisiana tanora toa an'i Gildas sy ny DTN Honoré Razafinjatovo eny fa na dia ny filoha lefitry ny Federasiona Mamy Ranaivoson izay tena niaina tao anatin'ny volley ary inoako fa mahafantatra tsara ny filana rehetra mba ahatonga ny ankizy ao anaty heriny tokoa. Clément RABARY
Mialohan’ny hiatrehan’ny Maky Lahy sy vavy ny fifaninanan’ny AROI 2025 izay hatao eto
Mitohy ary tsy hifarana raha tsy ny faha 22 aprily izao ny fisoratana anarana amin’ny lalao