airtel

Sport

12-mars-2021

Sport

Lalaon’i Madagasikara sy Niger Miandry fankatoavan’ny CAF ny fanatrehan’ny mpijery

Sample post image

Nisy ny fangatahan’ny avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra miantefa any

12-mars-2021

 

 

 amin’ny kaonfederasionina afrikanina mba ahafahan’ireo mpanohana ny ekipam-pirenena Malagasy hanatrika ny fihaonana eo amin’i Niger sy ny Barean’i Madagasikara izay atao ny 30 martsa izao ao Barikadimy, raha ny fampitam-baovao voaray. Hatreto anefa dia mbola mitazona ny fanapahan-keviny ny amin’ny tsy tokony hanatrehan’ireo mpijery ny fifanitsanan’ny CAN 2022 rehetra ny CAF, araky ny voalazan’ity loharanom-baovao ity hatrany. Mandeha, araka izany, ny fifandresen-dahatra eo amin’ny roa tonta ary dia miandry fankatoavana mikasika izany, araka izany, ny kianjan’I Barikadimy ao Toamasina. Ankoatr’izay dia mitaky ihany koa ny CAF ny amin’ny mba hametrahana seza amin’ireo tohatra fipetrahana na “gradins” eo amin’ity kianja ity. Na izany na tsy izany dia efa nankatoavin’ny CAF ho afaka handray io lalao amin’ny 30 martsa io aloha izany ny kianja, raha ny vaovao voaray hatrany.

J. Mirija

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tandindonin-doza ny baolina kitra malagasy. Ambeti-tenin'i Tatseraky Marcellin izany raha tafaresaka taminay izy.

Card image cap