airtel

Sport

02-sept-2021

Sport

Lalaon’ny Barea anio 20 000 sy 30 000Ar ny fidirana eny amin’ny “Tribune”

Sample post image

Momba ny fahafahana mijery mivantana ny lalao kosa, dia misy ny tapakila maimaimpoana izay efa nozaraina ho an’ireo mpankafy 10 000 ho eny amin’ny “Gradins”,

02-sept-2021

 ary misy kosa ny tapakila amin’ny vidiny 20 000Ar sy 30 000Ar ho an’ny sokajy VIP eny amin’ny “Tribune”, izay nambaran’ny Fanjakana fa hamidy eny Mahamasina anio. Mbola misy moa ireo olona nitady tapakila maimaimpoana teny Mahamasina mba ahafahana mijery sy manatrika ny lalao, saingy “Jeton” ahafahana manatrika ny fanokanana kianja amin’ny sabotsy 4 septambra sisa no azon’izy ireo sitrahana. Na eo aza tsy fahafahana mijery mivantana eny Mahamasina, dia efa nampahafantarina ofisialy omaly fa handeha sy hotantaraina mivantana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM moa ny lalao anio, izany hoe afaka hisitraka izany ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy. Saika mirona bebe kokoa amin’ny resaka fijerena sy fanohanana ny ekipam-pirenena aloha ny sain’ny olona na eo aza ny lanonana goavana handanian’ny Fanjakana vola tsy toko tsy forohana amin’ny fanokanana, izay nakana mpanakanto malaza maro, hisy fanapoahana afomanga.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap