airtel

Sport

08-nov-2021

Sport

Lalaon’ny mpiasam-panjakana Tompondaka tamin’ny basikety ny Jirama

Sample post image

Voahosotra ho tompon-dakan'ny "Basket-ball" nandritra ny lalao famaranana omaly maraina ny ekipan'ny Jirama ho an’ny fifaninana ao anatin’ny ASIEF (Association Sportive Interminisiterielle pour l’Entretien des Fonctionnaires)

08-nov-2021

 na Fifaninanana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana natao tany Mahajanga. Lavon'izy ireo tamin'ny salan'isa 54-51 ny Ekipan'ny "Présidence" na ny Fiadidian’ny Repoblika. “Anatin'ny sehatry ny asa dia tena ilaina be dia be ny fanatanjahantena satria sady mahasalama no mampiala voly ihany koa. Teto dia faly sy nankasitraka ny ekipa Andriamatoa Minisitra izay nanatri-maso tany niaraka tamin'Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Jirama ary nirary mba handresy tahaka izany ihany koa ny ekipa eo amin'ny sehatry ny angovo”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Jirama momba ity vokatra azony tamin’ny lalao ara-panatanjahantena ity. Irariana mba ho toy izany ihany koa ny vokatra amin’ny fampisitrahana angovo sy rano ny vahoaka, hoy kosa ny vazivazin’ny olona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap