airtel

Sport

04-sept-2023

Sport

Lalaon’ny Nosy Nahomby ny ankamaroan’ireo lalao iraisana

Sample post image

Nivalona tanteraka ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 notanterahina tao anatin’ny 10 andro, ka I Kaomoro indray no handray ny andiany manaraka.

04-sept-2023

Azo lazaina ho tsara ny vokatra ho an’I Madagasikara na teo aza lesoka tany am-piandohana noho ilay fatiolona tao Mahamasina. Na izany aza, mendrika ary isaorana ny atleta sy mpilalao Malagasy. Teo ny vokatra ho an’ny isam-batan’olona, fa saika nanjakantsika ankamaroan’ireo lalao iraisana, ka nisongadina ny an’ny baolina kitra izay nahazoantsika indray ny medaly volamena. Efa tany amin’ny taona 1993 nandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha-4 tatsy Seychelles no nahazoantsika izany farany. Ny Réunionais no resintsika tamin’izany, ary nandresy antsika tamin’ny famaranana ny taona 2007 io, ka vita indray ihany koa ny valin’ady. Ho an’ireo taranja hafa, dia voalohany isika tamin’ny basikety sokajy rehetra izay nisy efatra karazana satria ny “3x3” dia vao nampidirina tamin’ity andiany faha-11 ity, ka noporofointsika ny maha tompondakan’I Afrika sy efa niatrika ny Fiadiana ho an’ny tompondaka eran-tany ho an’ny lehilahy, ary nanjaka ihany koa ny vehivavy. Voalohany ihany koa isika teo amin’ny taranja rugby ary nandravarava. Lasantsika ihany koa ny medaly volamena ho an’ny taranja judo sokajy vehivavy,… Na izany aza, tany amin’ny medaly volafotsy no nisy antsika ho an’ny handball sy volleyball,…
Nangonin’I Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap