ho an’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barean’i Madagasikara na dia mbola misy lalao miisa 2 hamaranana ny fifanintsanana ato amin’ny vondrona A misy azy ireo aza. Na atao hoe mandresy hatrany aza isika amin’ireo lalao miisa 2 farany ireo dia tsy hahita afa-tsy isa 8 sisa. Mbola tsy hiadiana hevitra be akory ny hoe ahoana no handresena izany Tonizia izany na dia hoe isika aza no hampiantrano io lalao miverina io? Nahavita sahala 1 noho 1 nanoloana antsika tamin’ny fampiantranoantsika azy ireo koa ny kaomorianina tamin’ny lalao mandroso ary heverina fa tena manana moraly ambony be izy ireo amin’izao fotoana izao hikatsahana fandresena manoloana izany neverina hatramin’izay fa biby fampitahorana azy ireo antsoina hoe Barean’i Madagasikara izany. Mbola hiantehitra amin’ny fanidiana trano maraina sy valim-panafihana hatrany ve satria raha izao fandehany izao izany dia mbola ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe hatrany no hamita hatramin’ny farany an’ity raharaha ity? Mbola ho tahaka ireny hatrany ve ny kalitaon’ny mpilalao ho antsoina? Tsetsatsetsa tsy aritra ny hoe mifanintsana ahazo ny tapakila hankanesana any amin’ny amboara eran-tany 2026 koa isika etsy an-kilan’izay ary dia mbola ny ekipam-pirenen’i Tchad ihany aloha izany no resintsika tamin’ny isa 0 noho 3 tao an-jaridainany. Heverina fa zava-dehibe ihany izany saingy ampy hiatrehana ny manaraka rehetra ve raha toa ka, mazava ho azy, lenta avo kokoa noho ny takiana aty amin’ny CAN no andrasana hiatrehana izany amboara eran-tany izany? Miresaka lenta na «niveau» isika dia tsiahivina fa toy izao manaraka izao no filahatr’izany Barea 2018 niatrika an’i Senegal teo Mahamasina ka nahavita sahala 2 noho 2 izany, teto moa izany isika no tafakatra voalohany hanao CAN ny taona 2019. Jean Dieu Randrianasolo (CNAPS Sport – PFL, Madagasikara), Pascal Razak (JS Saint-Pierroise - R1, La Reunion), Thomas Fontaine (Stade de Reims - Ligue 1, Frantsa), Romain Métanire (Stade de Reims - Ligue 1, Frantsa), Jérome Mombris (Grenoble - Ligue 2, Frantsa), Marco Ilaimaharitra (Charleroi SC – JPL, Belzika), Njiva Rakotoharimalala (Sokothai FC - Thaï League, Thailand), Ibrahim Amada (MC Alger - Ligue 1, Alzeria), Lalaina Nomenjanahary (Paris FC - Ligue 2, Frantsa), Paulin Voavy (Misr El Makasa - Premier League, Ejipta) Faneva Andriantsima (Clermont - Ligue 2, Frantsa), izany hoe saika milalao amina fifaninanam-pirenena avo lenta avokoa ny 8 tamin’ireo 11 mirahalahy najoro voalohany. Raha hiverina hijery ny lalao miverina nihaonana tamin’i Gambia farany teo anefa isika dia toy izao manaraka izao indray; Sonny Laiton (tsy manana klioba) Louis Démoléon (Enna Calcio - Série D, Italia) Rado N. (Elgeco Plus – PFL, Madagasikara), S. Tremoulet (FC Ararat - P. liga), Kenji Van-Boto (Pau FC - Ligue 2, Frantsa) Marco Ilaimaharitra (tsy manana klioba), Rayan Raveloson (AJ Auxerre - Ligue 1, Frantsa), Clément Couturier (Villefranche - National 1, Frantsa), Ryan Ponti (US Orléans - National 1, Frantsa), Arnaud R. (El Gouna FC - P. League, Ejipta), Warren Caddy (Lausanne O. - Challenge L.), izany hoe mpilalao miisa 4 monja, raha betsaka indrindra, no milalao amina fifaninanam-pirenena avo lenta. Mifanalavitra be ny elanelana, araka izany, raha ny lentan’ireo mpilalao tamin’ny 2018 sy ny 2024 no resahina nefa fifaninanana iraisampirenena avo lenta no atrehina.
J. Mirija
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny