airtel

Sport

01-sept-2025

Lesona azo amin'ny BAREA CHAN

Tsara ny vokatra rehefa tena miezaka sy miasa

Sample post image

Tsaroana tsara ny tamin'ny 2019 raha tafiakatra tamin'ny

01-sept-2025

ampahefa-dalan'ny CAN ny Barea fa dia hafaliana sy fety be erak'i Madagasikara. Faly ny Malagasy fa nahavita lalao tsara ny ekipam-pireneny. 6 taona aty aoriana niatrika lalao famaranan'ny CHAN ireo Barea zandriny. Tena nampitolagaga ny olona, tena niezaka, tena nanao baolina. Tsy hoe faly amin'ilay resin'i Maroc fa ravoravo ny malagasy satria hita ho miha avo lenta hatrany ny fomba filalao, tena misy fanantenana tsara amin'ny ho avy; mazava ho azy fa nisy fiomanana sy fanomanana ary kotrana goavana atao tao. Rehefa miasa tsara sy miezaka dia tsy maintsy mahazo vokatra tsara. Io aloha dia raikipohy mitombina tsara amin'ny resaka fanatanjahantena : ezaka ara-batana, saina tia karokaroka, enti-manana sy fitaovana ampy. Fa azo ampiharina tsara amin'ny fiainana andavanandro io, amin'ny orinasa, eny amin'ny fitantanana ny firenena mihitsy aza. Ny an'ny Barea A' izao dia nifantoka tamin'ny CHAN izy ireo, maro ny mpilalao te hampiseho fa mahay, mahavita azy ary mahazaka tsara fifaninanana iraisam-pirenena. Dia ireny ny vokatra tsara azo . Tsy misy fahagagana izany fa matoa ny olona tafita amin'ny sehatra misy azy dia niasa, niafy ary niezaka.Misy fotoana mety kivy, mitady hanary toky saingy rehefa mahay miala amin'io, mahita ny vahaolana dia tafita mandrakariva. (Sary fanehoana)
RTT
 

Dans la même rubrique