Nisongadina ny fihaonana teo amin’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Sainte Anne Bongatsara izay notontosaina tetsy amin’ny kianjan’Ambohidratrimo satria dia azo lazaina ho nampianatra ny ekipan-dry prezida Tota teto ny boay kelin’i Bongatsara izay nandresy azy ireo tamin’ny isa mazava 3 noho 1. Ry zareo CFFA no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha 11 tamin’ny alalan’i Boto. Nahita mangirana avy eo ny Sainte Anne taty amin’ny minitra faha 40 taty ka nanasahala ny isa tamin’ny alalan’i Mamy kely. Tsy nionona tamin’io isa io anefa ny bandy kelin’i Bongatsara fa mbola nanampy ny isa tamin’ny alalan’i Gros indray taty amin’ny minitra faha 60 sy 88 rehefa nifehy ny lalao amin’izay tao anatin’ny fizaram-potoana faharoa na dia nanoloana ny andrarezin’ny ekipan’ny kaominin’Andoharanofotsy aza ka nahatonga ny isa teny amin’ny solaitrabe hijanona ho 3 ho an’ny Sainte Anne ary tokana monja ho an’Andoharanofotsy nandritr’ity andro fahatelon’ny ligin’Analamanga ity.
J. Mirija
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona