airtel

Sport

14-juil-2025

Ligue 1 frantsay

Miha mazava ny lalana ho an’i Mathieu Acapandié

Sample post image

Ny tapaky ny volana martsa teo no nanomboka niara-nanao fanazarantena tamin’ny ekipa A

14-juil-2025

ao amin’ny FC Nantes, divizionina voalohany frantsay, ilay vodilaharana malagasy, Mathieu Acapandié. Lalao niisa 8 ihany, raha tsiahivina, no vitan’ity tovolahy 20 taona, mirefy 1,82 metatra, 73 kilao ity, tanatin’ny ekipa fiandry na N3 an’ny klioba dia efa hitan’ny mpanazatra fa mety aminy kokoa ny mivoatra ao amin’ny ligue 1 na fifaninanam-pirenena voalohany frantsay. Noporofoin’i Mathieu Acapandié tato ho ato fa tsy diso izay fanapahan-kevitry ny mpanazatra izay fa dia tena rindrina mahatoky ho an’ny mavo sy maitso tokoa ny lehilahy ary dia io izy miha mahazo lalao hatrany ao amin’ny divizionina voalohany io. Miha mazava, araka izany, ny lalana ho an’ity mpilalao malagasy tena mbola anatin’ny fahatanoràna ity ary ny hirariana hatrany aza dia ny mbola ahitàny fifaninanam-pirenena avoavo kokoa ivoarana ao Eoropa ao sy ny hahafahany hitondra izay traikefany izay anatin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique